airtel

Toekarena

01-déc-2023

Famonoana mpanara-maso hetra sy mpiraki-draharaha

Polisy miisa 2 no voaheloka hiasa an-terivozona

Sample post image

Notsaraina ny 29 novambra 2023 teo teny Anosy ilay raharaha vono olona,

01-déc-2023

fitifirana nahafaty “Inspecteur des impôts” na mpanara-maso ny hetra sy “Greffière” na mpiraki-draharaha niseho ny alatsinainy hariva 14 novambra 2022 teny Ambohimahatsinjo, anelanelan'Imerinkiasinina sy Ambohimalaza, hoy ny fampitam-baovao voaray omaly. Nosazian'ny fitsaràna 10 taona, asa an-terivozona ny “Commissaire de police” na kaomiseran’ny polisy tomponandraikitra amin'ilay basy (PATT). 20 taona asa an-terivozona ny an'ilay “Agent de police stagiaire” na polisy mpizatra asa. Izy ilay nitifitra. Polisy miisa 2 izany no voaheloka hiasa an-terivozona 10 hatramin’ny 20 taona. 10 taona asa an-terivozona ny an'ny havany na "cousin"-ny. Nafahana noho ny fisalasalana ny “Inspecteur de police” na inspektora iray sy ny sakaizan'ilay mpiza-draharaha. Ilay sinoa voalaza fa "patron" na mpampiasa an'ilay “Stagiaire” na mpiza-draharaha kosa afaka madiodio, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray omaly.
J. Mirija
Sary nindramina
 

Dans la même rubrique