nanomboka tamin'ny 2 ora tolakandro izany ary niresahana mikasika ny “culture entrepreneuriale” na kolontsain’ny fandraharahana, ny “développement personnel” na fampivoaran-tena ary “gestion de temps” na fitantanana fotoana. Tanjona, hoy ny fanazavan’ny mpitarika ny MRT, Durlin Retogniane, dia satria vitsy ny orinasa eto Toliara ka ampirisihina ireo tanora tsy an'asa mba hanangana orinasa kely ho azy mba hampihenana ny tahan'ny tsy fananan'asa. Mila omena azy ireo arak'izany ny toe-tsaina sy kolotsaina entina manangana orinasa sy mandraharaha amin'ny ankapobeny, hoy izy. Izao hetsika izao moa dia tafiditra ihany koa ao anatin'ny tajon'ny fikambanana MRT dia ny fampandraisana andraikitra ny tanora mba ho hery entina mampandroso ny firenena, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija