airtel

Toekarena

30-juil-2026

Fampandrosoana

eny ambanivohitra

Sample post image

Raikitra ny foaraben’ny tantsaha eny Alakamisy Vontovorona

30-juil-2026

Nisokatra ofisialy omaly 29 jolay ary tsy hifarana raha tsy amin’ny 02 aogositra ny Foaraben’ny tantsaha eny amin’ny Kaominina Alakamisy Vontovorona. Tonga nanome voninahitra izany ny Minisitry ny filaminam-bahoaka CGP Erick Michel Wuli Soumah Idrissa sy ny depiote voafidy tao Atsimondrano Voahangy Raharimanarivo, notronin’ireo manam-pahefana sivily sy miaramila samihafa. Nankasitraka ny finiavan’ireo manam-pahefana ny ben’ny tanàna Mendrika Rasolonirina, izay nanipika fa tena zava-dehibe tokoa satria endriky ny fiaraha-mientana sy fiahiana ny tontolon’ny tantsaha sy ny fampandrosoana eny ambanivohitra. Efa an-taonany maro, hoy izy, no tsy nisy foara teo anivon’ny kaominina, ka zava-dehibe sy manan-tantara,… 88% amin’ny mponina ao an-toerana dia tantsaha, ny tantsaha no antoky ny fiainam-bahoaka sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo, ka tonga miaraka amin’ny rivotry ny fanavaozana izay mikendry ny hanasongadinana sy hanomezan-danja izao, hoy ity ben’ny tanàna ity. Tajon’ny foara ny hampahafantarana ny vokatra misy ao amin’ny kaominina sy hampiroboroboana ny fifanakalozana, fifandraisan’ny mpamokatra sy ny mpanjifa, hisarihana ireo mpahaitanana sy mpiara-miombon’antoka hijery akaiky ny tantsaha amin’ny fampandrosoana ny asa fivelomany. Nampita tamin’ny solombavambahoaka ny Ben’ny tanàna Mendrika ny mba hijerena ny tantsaha amin’ny CIAD (Crédit d'Investissement destiné à l'appui au Développement) manaraka mba hisitrahan’ny kaominina masomboly, zezika, fitaovana, fotodrafitrasa, indrindra ny fanamboarana ny barazy sy ny lakandrano izay tena ilain’ny tantsaha amin’ny famokarana . Tahaka izany ihany koa ny fanofanana maharitra momba ny fambolena na fiompiana na asa tanana mba hahafahan’izy ireo mampiasa teknika maoderina hampitombo ny vokatra sy ny fidiram-bola. Nampita hafatra ho an’ny governemanta ny mba hijerena ireo fotodrafitrasa toy ny làlana, tsena vaovao izay efa vonona ny kaominina hanome ny toerana,… Nanome toromarika momba ny CIAD sy nilaza hitondra ny hetaheta amin’ny mpanatanteraka ny depioten’Atsimondramo. Naneho ny Minisitry ny filaminam-bahoaka fa tsy afaka misaraka ny filaminana sy fampandrosoana, miezaka manatsara ny kalitaon’ny fitandroana filaminana sy manakaiky ny vahoaka ny Minisiteran’ny filaminam-bahoaka, ka anisany ny tontolo ambanivohitra, ka niantsoany fifanomezan-tànana avy amin’ny vahoaka.

Mikasika ny tetikasa fanodinana zezika,dia efa 3 taona teo ny ozinina, ka kaominina miisa 2 no miara-mitantana izany. Antom-pisiany ny fahadiovan’ny tanana, ka ny fako rehetra anatin’ny kaominina Fenoarivo sy Alakamisy dia taterina ao havadika ho vokatra sy zezika, izay hampiasain’ny tantsaha. Io tetikasa io izay iarahana amin’ny mpampianatra mpikaroka. Mizotra ara-dalàna ny ozinina fanodinana fako, ary ny fako aza no tsy ampy, hoy ny ben’ny tanàna Mendrika Rasolonirina.
Toky R

 

Dans la même rubrique