airtel

Toekarena

25-août-2021

Toekarena

Fampandrosoana ny firenena Tena mila fampiasam-bola i Madagasikara

Sample post image

Nanomboka omaly 24 aogositra tolakandro ny fihaonan'ireo mpandraharaha mivondrona amin'ireo firenena mampiasa sy miteny ny teny Frantsay tao amin'ny hippodrome Longchamp, tao Paris.

25-août-2021

Vahiny manan-kanja nandritra ity fihaonana ara-toekarena lehibe ity ny Filoha Andry Rajoelina. Tanjon'ny fandraisan'anjaran'i Madagasikara amin'izao fihaonana goavana izao ny hanamafy ny paikady napetra hitondra avo ny lazan'i Madagasikara sy ireo vokatra vita Malagasy eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena. “Mila fampiasam-bola izahay hampandrosoana ny firenenay ary Madagasikara dia miaraka amin’ny rehetra mba hanenjehana ny fahatarana ara-pampandrosoana”, hoy I Andry Rajoelina. Tsy araka ilay vava be tamin’ny 2018 fa hay ilaina sy mampandroso ihany ny volan’ny vahiny fa tsy mampahantra? Aiza ilay hoe isika indray aza no hampindrana an’I Kaomoro? Notsipihany fa anisan'ny miavaka ireo vokatry ny tany Malagasy ary misokatra amin'ny fiaraha-miasa sy fampiasam-bola samihafa i Madagasikara, nefa kosa mitaky fifandraisana sy fiaraha-miombon'antoka ara-drariny, mitsinjo ny tombontsoan'ny andaniny sy ankilany. Tena afaka mametraka izany ve raha tarafina amin’ny fahanginana eo anatrehan’ny fifehezan’ny karana ny toekarena sy ny sosialy ohatra? Anisan'ny sehatra laharam-pahamehana ho an'i Madagasikara, hoy ny Filoha, ny fahaleovantena ara-tsakafo, ny fampiroboroboana ny indostria sy famokarana eto an-toerana izay ilain'ny vahoaka Malagasy, ny famokarana angovo azo havaozina, ny fananganana fotodrafitrasa ho an'ny fahasalamana sy ny fanabeazana ary fanomezana ainga vao ny lazan'ny vokatra Malagasy eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena. Moa tena mifanaraka amin’izany ny politika misy eto? Moa tsy vao ny 8 aogositra ny Filoha no nirehareha fa afaka manafatra entana amin’ny sambo 4,5,6,… hatramin’ny 20 fa ny resaka famokarana tsy tena hita soritra? Mpandraharaha sy tompona orinasa lehibe 600 no mandray anjara amin'ity fihaonana ao Paris ity, ary 450 amin'izy ireo no avy any ivelan'i Eoropa. Anisan'ny lohahevitra hifanakalozana ny fanarenana ara-toekarena manoloana ny Covid-19, ny sehatry ny agribusiness, ny famatsiam-bola sy ireo tetikasa lehibe, ny tontolo iainana sy ny toetr’andro ary ny haitao ara-kajy mirindra. Hatreto, tsy atokisan’ny olona isika, ny ato anatiny lasibatry ny krizy, misy ny mangoron’entana, nisy tratry ny hetraketraka politika, misy ny voarahona,… ka lojika raha mailo ny mpampiasa, tsy milamina ny tontolon’ny fandraharahana na ny “climat des affaires”, fa kisehoseho no betsaka hatreto. Tsy azo lavina anefa, fa tena mila fampiasam-bola, mila asa goavana mampiasa olona ana hetsiny,…
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

1400 miliara Ariary eo, ankoatran’izay efa nampidirina anaty kitapom-bolam-panjakana, ny hetra tsy tafiditra,

Card image cap
18-avril-2024

Niresaka tamin’ny sehatra tsy miankina foana ny fitantanana ankapoben’ny hetra na DGI,

Card image cap