airtel

Toekarena

20-sept-2021

Toekarena

Fampandrosoana ny fizahantany Hasongadina any Amoron’Imania ny kolontsaina Betsileo

Sample post image

Ho fampandrosoana ny fizahantany sy ny tontolo ambanivohitra, ny fikambanana Haikolo kanto, izay misehatra ao anatin’izany dia mikarakara hetsika antsoina hoe “Festival de Mania”

20-sept-2021

 izay hatao any Sahambe Sandrandahy, distrikan’i Fandriana, faritra Amoron’Imania, ny 2 sy 3 oktobra izao, hoy ny fampitam-baovaon’izy ireo. Ho fampahafantarana ireo toeram-pizahantany azo tsidihana any an-toerana no anton’ny hetsika. Efa maro izy ireo, hoy ny fanazavana, nefa mila ampiana ho fampiroboroboana ny fizahantany ara-kolontsaina. Misy zavaboary samihafa ao Sandrandahy ary misy ireo biby mampiavaka antsika. Misy toerana antsoina hoe Ikianja ihany koa izay misy ny tantara ipoiran’ny fisakana. Eo koa ny savika izay mampalaza ny Betsileo. Ho sokafana eo amin’ny sehatry ny fizahantany anatiny sy iraisam-pirenena izany. Ho hita any an-toerana avokoa ireo mampiavaka rehetra izany Amoron’Imania izany na ara-kolontsaina na ara-tsakafo na toerana na fomba. Miantso ny mpisehatra rehetra, hoy hatrany izy ireo, ary tsy voatery ny eo amin’ny sehatry ny fizahantany ihany fa izay afaka mampiranty sy liana amin’izany atao hoe fizahantany ara-kolontsaina izany rehetra dia asaina avokoa satria fampandrosoana no tanjona. Hasongadina ao anatin’izany ihany koa, mazava ho azy, hoy ny fanamarihana, ny fitafy sy kolontsaina Betsileo.
J. Mirija
Legende: Ireo mpikarakara
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nifanakalo traikefa tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny any Maroc ny ekipan’ny ODOF.

Card image cap
23-avril-2024

Mbola mitohy ny fisoratana anarana amin’ny loka Pierre Castel. Hifarana ny 24 aprily ho avy izao ny andiany amin’ity 2024 ity.

Card image cap