airtel

Toekarena

31-mai-2024

Fampandrosoana ny tanana

Hiara-hiasa akaiky Antananarivo sy Le Caire

Sample post image

Hiara-hiasa akaiky manomboka izao ny tananan’Antananarivo renivohitra sy ny tanàn’i Le Caire,

31-mai-2024

renivohitr’i Egypta. Tontosa omaly alakamisy 30 mey ny sonia fifanekem-piaraha-miasa teo amin’ny roa tonta, andaniny nahitana ny PDS Ramanambintana Richard, notronon-dRtoa Rabab Said Abdou Abdelhadi tompon’andraikitra any amin’ity tanana kely iray ity. Tanjona ao anatin’ny fiaraha-miasan’ny roa tonta ny hanovana endrika an’Antananarivo ka anisan’ireny ny tetikasa fitaterana an-dalamby , an-tanan-dehibe ary ny fanatsarana ny tanàna amin’ny lafiny maro samihafa. Hitondra tombontsoa lehibe ho an’ny tanànan’Antananarivo izao sonia natao ihany hoy ny PDS Ramanambintana Richard izay hoarahin’ny fifampizarana traikefa eo amin’ny renivohitra roa tonta. Lohalaharana amin’izany ny resaka fitantanana, ny fampiroboroboana ny kolontsaina, ny siansa, ny fanatanjahan-tena, ny fiahiana ny tanora, ny fahasalamana, ny fikoloana sy ny fiarovana ny tontolo iainana ary koa ny fifanakalozana ara-barotra izay nomarihiny fa tena ilain’ny tananan’Antananarivo renivohitra tokoa.
Pati
 

Dans la même rubrique