Hetsika ekonomika izay tafiditra tanteraka ao anatin’ny fankalazana sy ny fanamarihana ny faha 50 taonan’ny BFM izany, hoy ny fanazavana. Raha tsiahivina dia ny 12 Jona 1973 no niorina tamin’ny fomba ofisialy ny BFM. Fotoana iray nanamarika ny fahaleovantena ara-bolan’i Madagasikara izy io satria fotoana nialana tao anatin’ny firenena mampiasa ny «franc» ihany koa. Tsiahivina ihany koa fa fomba amam-panao mahazatra eo amin’ireo banky foibe sy ireo vondrona mpamoaka vola ny fanontana vola volamena ho fanamarihana ireo tranga manan-tantara eo amin’ny firenena iray, hoy ny fampahatsiahivana nataon’ny filankevitry ny minisitra ny alarobia teo. Mifandraika tanteraka amin’ny fankalazana io faha 50 taona io, araka izany, ity tetikasa fanatontana vola volamena 50 ariary ity. Ankoatra ny maha fomba entina hanamarihana ny faha 50 taonan’ny BFM ity vola volamena ity dia fitaovana iray azo ampiasaina tsara amin’ny resaka fifanakalozana ara-bola ihany koa izy io. Marihina anefa fa tsy ho 50 Ariary araka ny soratra izay ho hita eo aminy no ho sandam-bidin’ity vola ity satria ho vita amin’ny volamena izy io fa tsy amin’ny vy tahaka ny teo aloha. Hamidy araka ny vidiny voatondro amin’ny vidin’ny volamena eo amin’ny sehatra iraisampirenena sy araky ny fomba azo ampiharina nofaritan’ny BFM io vola volamena 50 Ariary io, raha ny fanazavana hatrany.
NIHA TSY HITA
Ny taona 2020 tany ho any no nanomboka niha tsy hita firy intsony teny amin’ny tontolon’ny tsena eto Madagasikara ny vola vy, etsy ankilan’izay tokoa. Any amin’ny fandoavana faktioran-jiro sy rano any amin’ny JIRAMA any sisa saika ahitana izany fa raha ny mpivarotra eny an-tsena aloha dia efa zary lasa manda ny hampiasa azy avokoa. Adihevitra mahakasika ny toekarem-pirenena mihitsy ankehitriny ny hoe ahoana tokoa re no hahitana izany fampiasam-bola miteraka harena sy lova tsara ho an'ny taranaka izany? Ny sandan’ny vola malagasy, dia ny Ariary izany, ity hiaraha-mahita fa miha mitotongana hatrany. Na ny mpanohana ny fitondrana na mpanohitra na mpandinika saika mba efa nitanisa ireo heverina fa vahaolana hitsaboana izany ihany. Matetika heno, ohatra, ny hoe mila famoronan'asa isika, findramam-bola azo antoka fa hananana ny fahafaha-mamerina azy, mila fitantanana mahomby, fananana vina, ketrika maro samihafa saingy inona ary no sakana tsy hivoahan’ilay teoria ho lasa asa mahomby? Manana ny hambarany mikasika izany moa ireo tekinisianina sy mpandraharaha, isany ireto teratany malagasy sy vahiny manaraka ireto.
LAHATRA ANDRIAMAHATSANGY, MPANDRAHARAHA MALAGASY, MANAM-PAHAIZANA MOMBA NY ASA VAVENTY : «Ataovy izay maha falifaly ny fo! Ho ahy manokana ny atao hoe mihary harena maharitra dia trano ho an’ny taranaka, tany raha misy. Ny malagasy nefa indraindray tsy amin’izany fa ilay ny androany ihany aloha ary ny androany ary mbola tadiavina rahampitso. Ny ahatongavana amin'izany fiharian-karena maharitra izany dia mila apetraka ny tanjona fohy sy lavitra ezaka dia miezaka manenjika izay tanjona izay. Tsy atao be dia be koa anefa ilay tanjona fa manjary tsy ho vita. Izay vita no atao. Ny mahatonga ny malagasy amin’izao tsy mahalala afa-tsy ny anio dia azo antoka fa eo aloha ny fitaizana niainany. Tsy mitsinjo lavitra mihitsy ny tany aloha fa dia nionona tamin’izay nisy. Kolontsaina io, indrisy, mainka moa fa nampian’ireny tranga tamin’ny taona 2009 ireny. Tsy misy vahaolana afa-tsy ny fampianarana ny olona hitsinjo lavitra. Na izaho ary mbola mianatra saingy rehefa azo kosa izay tanjona izay dia mba milamindamina. Nanomboka ny taona 2009 no ho nankaty no tena tsikaritra ho nitsoaka izay rivotry ny tsy fahaizana mitsinjo lavitra izay.»
ROBERT KIYOSAKI, MPANDRAHARAHA AMERIKANINA : «Fototry ny rarintsaina rehetra ny tsy fahampiam-bola. Zary sazin’ireo mamokatra ny hetra ary valisoa ho an’ireo tsy mamokatra. Ny mahantra sy ireo heverina hoe manana ny ampy na antonony dia miasa ho an’ny vola. Ireo manankarena kosa dia miezaka mandrakariva mba ho ny vola no hiasa ho azy ireo. Hafa ny fanabeazana omen’ny mpanakarena ny zanany mikasika ny atao hoe vola ary hafa ny fanabeazana omen’ny mahantra ny zanany mikasika izany ihany koa.»
Nanangona sy nandrindra : J. Mirija