hoy ny tale jeneraliny, Germain, omaly. Afaka manatona ny GEM ianareo, hoy izy. Afaka manatona ny SIM na FIVPAMA sy ny hafa rehetra. Ny ATD na hetsika nataon’ny DGI ahafahana mampiditra vola anaty kitapom-bolam-panjakana amin’ny alalan’ny hetra tsy voaloha dia eo amin’ny 9 eo no isany. 9 amin’ny orinasa an’hetsiny eto Madagasikara. Nanao filazalazana ara-ketra ilay orinasa fa tsy nalohany ilay hetra. Nisy ny fitsirihana ara-ketra fa tsy nametraka fampilazana fandoavan-ketra na «sursis de payement». Rehefa tsy mametraka an’izay dia azonay atao foana ny mampiditra hetra amin’ny alalan’ny hetsika rehetra toy izany ATD izany. Efa nisy ny didim-panjakana mahakasika io fifampiresahan’ny DGI amin’ny sehatra tsy miankina io ka miantso azy ireo hanatona hatrany rehefa misy tokony hifampiresahana, hoy hatrany ny DGI nitondra fanazavana mikasika ity resaka ATD voalaza ho nataon’izy ireo nahoraka hatrany amin’ireo haino aman-jery iraisampirenena ity.
J. Mirija