airtel

Toekarena

22-juil-2021

Toekarena

Fampidiran-ketra -Kaominina Ampitatafika 30% ny taha tao anatin’ny enim-bolana voalohany

Sample post image

Tafiditra tao anaty fahasahiranana tanteraka ny ankamaroan’ny mponina tamin’ity taona vaovao 2021 ity. Ankoatra ny fahasahiranana nateraky ny fiakaran’ny vidim-piainana sy ny maintso

22-juil-2021

 ahitra tsy maintsy nolalovana mantsy dia mbola nanampy trotraka izany ihany koa ny fisian’ilay valan’aretina COVID 19 andiany faharoa. Kofona tanteraka ny ankamaroan’ny isan-tokantrano noho izany izay misy fiantraikany mivantana eny anivon’ireny kaominina misy azy ireny. Mikasika ny fandoavan-ketra ohatra dia vitsiana ireo nahaefa izany ara-dalana toy ny teo aloha. Ho an’ny kaominina Ampitatafika dia 30% monja izany tao anatin’ny enim-bolana voalohany ho an’ny hetran-trano raha 5 % kosa ny hetran-tany, asa vaovao vao natomboka farany teo. Tsy nahaloa ny volan’ny Cnaps ny kaominina noho izany tato anatin’ny 2 taona nisian’ny COVID raha izy ireo no lohalaharana tamin’izany teo aloha izay mahazo fanomezana avy amin’ny Cnaps hatrany. Isaorana ny Fitondram-panjakana anefa hoy ny Ben’ny tanana Rado Ramparaoelina fa mba neken’izy ireo ny hiantsorohany ny volan’ny Cnaps tsy voahefan’ny kaominina nanomboka tamin’ny taona 2017. Na izany aza moa dia fantatra fa voaloha 100 % hatrany ny karaman’ireo mpiasa eo anivon’ny kaominina Ampitatafika hatreto. Tsy misy ihany koa ny fahasamihafana eo amin’ny samy mpiasa fa nampitoviana avokoa ny karama raisina isam-bolana rehetra ka 300.000 Ar ankehitriny no farany ambany indrindra. Pati Legende : Voaloha hatrany ny karaman’ireo mpiasa eo anivon’ny kaominina Ampitatafika na izany aza
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nifanakalo traikefa tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny any Maroc ny ekipan’ny ODOF.

Card image cap
23-avril-2024

Mbola mitohy ny fisoratana anarana amin’ny loka Pierre Castel. Hifarana ny 24 aprily ho avy izao ny andiany amin’ity 2024 ity.

Card image cap
22-avril-2024

Tena mampieritreritra lalina ny tenin'ny mpitandrina tao amina fiangonana iray ny alahady lasa teo.

Card image cap