tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 26 Mai 2023

airtel

Toekarena

Fampiroboroboana ny indostria Hamoaka tondrozotra ny Fanjakana sy ny tsy miankina

Tanterahina eny amin’ny Novotel Ivandry ny 24-26 may ny “Journées de programmation industrielle » eo iarahan’ny

25-mai-2023

Sample post image

Minisiteran’ny Indostria sy ny varotra ary ny Fanjifana, ny EDBM (Economic Development Board of Madagascar), ireo Vondron’ny mpandraharaha tsy miankina,… Tanjona ny handrafetana fandaharan'asa maharitra ho an'ny Indostria eto Madagasikara na “programmation industrielle”, hamaritana ny tondro mazava itondrana ny fampiroboroboana ny Indostria eto amintsika. Niainga tamin’ny dinika niarahan'ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina na ny “Dialogue Public Privé” anatin’ny fandaharan’asa PAISF (Projet d’Appui à l’Industrialisation et au Secteur Financier) herintaona lasa izy io, nikatsahana ny fampandrosoana ny Indostria, ka ny rehetra mpisehatra dia ny Fanjakana sy ny tsy miankina no mifanaiky fa miara-mandray an-tànana sy miara-mandray andraikitra. Isan’ny napetraka ny fanintsiana ny lalàna mifehy ny fampiasam-bola, izay nambaran’ny Minisitra Edgard Razafindravahy fa fandrosoana lehibe ho an'ny fampitoviana sy fiarovana ny mpampiasa vola na vahiny na teratany. Tsy ho tara fa hafainganina ny famoahana ny didim-panjakana fampiharana. Hitovy ny rehetra fa tsy ekena ny tombon-jo samihafa, tahaka izany ihany koa ny resaka fanondranana amin’ny fampidirana hetra izay misy hetra sy haba, ka harindra ny politikan-ketra, hapetraka ny fitoniana hisintonana ny mpampiasa vola,... Momba ny lalàna mifehy ny indostria, hapetraka ny tahirim-pirenena ho famatsiam-bola ho an'ny indostria 300 tapitrisa dolara, 50 dolara isan-taona anatin'ny 6 taona io, izay miandry fampiharana. Ilaina, hoy ny Minisitra, ny fandraisan'andraikitry ny sehatra tsy miankina amin’ny fanolorana tetikasa matihanina sy misy kalitao ahafahana manetsika izany tahirim-bola izany. Eo ihany koa ny fanajariana ireo Faritra ara-toekarena (parcs industriels). Navoitra ny “Agro-business”, ka nohafainganina ny ODOF (One Ditrict One Fatory), milina 75 no novidiana tamin’ny volam-panjakana madiodio,… Fandaharan'asa maharitra ho an'ny indostria no nambara fa tokony hapetraka, ka tsy tokony hiankina amin'ny fiovaovan'ny mpitondra ara-politika fa hitohy foana rehefa tsara ny fototra, mipetraka ny programa, voafaritra ny sehatra hotratrahana sy hifaninana,... Mivelatra ny sehatra toy ny fandraharahana ara-pambolena na agri-business, fanodinana lamba, harena ankibon'ny tany, fanodinana lohamenaka na « huile essentielle », angovo azo havaozina,... Hitadiavana hevitra noho izany ny fanatsarana, hamoahana fifanarahana mazava eo amin'ny Fanjakana sy ny tsy miankina. Naneho ny fahavononany hiara-misalahy amin’ny Fanjakana kosa ny sehatra izay nosoloin'Atoa Tiana Rasamimanana Filohan’ny Sendikan’ny Indostria na ny SIM tena.
Toky R
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Madagasikara-Vondrona Eoropeanina Stratejika be ny dinika politika faha-11
26-mai-2023

Hotanterahina eny amin’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny Anosy ny 20 jona ho avy izao ny fifampiresahana politika na « Dialogue politique » faha-11 eo amin’i Madagasikara sy ny Vondrona Eoropeanina.

Card image cap
Fanondranana harena an-kibon’ny tany
26-mai-2023

Nampidi-bola 5400 miliara Ar ho an’ny 2022

Card image cap
Lalàna momba ny famatsiam-bola Ohatra tsara azo alain-tahaka ireo firenena miteny Anglisy
26-mai-2023

Tamin’ireo toerana rehetra nalehako, raha tsy diso aho, hoy ny mpandraharaha ara-bola, Arizaka Rakoto,

Card image cap
Fiarovana ny sehatry ny fandraharahana ara-bola
26-mai-2023

Andraikitra iaraha-manana, hoy i Arizaka Rakoto

Card image cap
Siteny Randrianasoloniaiko «Ity no fitondrana tena namotika ny lavanila…»
26-mai-2023

Nanantena isika mba ho 3 tapitrisa Ariary no vidin’ny lavanila, hoy ny depiote Siteny Randrianasoloniaiko tany Ampanefena – Vohemar, ao anatin’ny faritra SAVA omaly. Amin’izao fotoana izao, hoy izy, ohatrinona?

Card image cap
Fampiasam-bola maharitra ho an’ny taranaka «Tsy misy vahaolana afa-tsy ny fampianarana hitsinjo lavitra»
25-mai-2023

Ny 17 may teo, nandritry ny filankevitry ny minisitra moa no nankatoavina ny tetikasa fanontana vola volamena 50 ariary izay naroson’ny filankevim-pitantanan’ny BFM na banky foiben’i Madagasikara.

Voir plus