airtel

Toekarena

18-nov-2025

Fampiroboroboana ny indostria

Hapetraka tsy ho ela ny tahirim-bola FNDI

Sample post image

Manantena ny governemanta fa ny

18-nov-2025

fampitomboana haingana ny fandraharahana no hanetsika ny fitomboana ara-toekarena. Nandritra ny fanokafana ny andiany faha-7 amin’ny "Forum National des Entrepreneurs", nanambara ny minisitra misahana ny Indostria sy ny Varotra, Andriniaina Rasoarahona, fa hisy tsy ho ela ny fametrahana FNDI (Fonds National dédié au Développement Industriel), hanohanana ny hetsika ataon’ny sehatra tsy miankina sy hanamafisana ny fifaninanana eo amin’ny seha-pamokarana. Araka ny filazan’ny minisitra, ny fandraharahana dia mbola iray amin’ireo fototra lehibe amin’ny famoronana asa sy andry fototra amin’ny fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy. Nohamafisiny ihany koa ny fanoloran-tenan’ny ministera hanatsara haingana ny tontolon’ny fandraharahana. Maniry ihany koa ny governemanta ny hanokatra dingana vaovao amin’ny fifanakalozan-kevitra miaraka amin’ny sehatra tsy miankina. Amin’izany, hisy "Assises Nationales et Régionales de l’Entrepreneuriat" hatao tsy ho ela. Tanjona ny hanampy ny governemanta sy ny sehatra tsy miankina hamantatra ireo sakana lehibe indrindra sy hamolavola vahaolana maharitra, amin’ny toe-tsaina mazava sy fiaraha-miasa mahasoa. Isan'ny lalan-tsaina noresahan'ny Filoham-panjakana Randrianirina Michael moa ny hampitomboana ny sehatra tsy miankina, hanamorana ny fahafahana mampiasa vola sy mandraharaha amin'ny alalan'ny fametrahana tontolo milamina sy madio. Tsy vitan'ny Fanjakana samirery ny fampandrosoana ara-toekarena ary tsy misy Fanjakana tafavoaka amin'ny hoe "État entrepreneur", fa tsy maintsy mampivelatra ireo seha-pihariana sy seha-pamokarana miteraka asa sy harena. Anjaran'ny Fanjakana no mampiroborobo izany amin'ny alalan'ny fananan'ireo mpampiasa vola sy mpandraharaha na avy ato anatiny na ny avy any ivelany.
Toky R
 

Dans la même rubrique