airtel

Toekarena

13-sept-2022

Toekarena

Fampiroboroboana ny indostria Hiteraka harena 1,5 miliara dolara ny PAISF…

Sample post image

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly tetsy amin’ny Hotely Carlton Anosy ny tetikasa tetikasa PAISF (Projet d’Appui à l’Industrialisation et au Secteur Financier).

13-sept-2022

Tetikasa hiompana amin’ny tontolon’ny indostria izay tokony ho efa nanomboka ny desambra 2020, saingy voatery nihemotra noho ny toe-draharaha ara-pahasalamana, ary tafiditra ao anatin’ny fiarenana taorian’ny coronavirus ihany koa io. Fampindramam-bola hatrany amin’ny 17 457 633 avy amin’ny BAD (Banky Afrikanina momba ny Fampandrosoana) haompana amin’ny fampiroboroboana ny tontolon’ny indostria ho hery sy fanohitra ho amin’ny fampandrosoana sy ny ady amin’ny fahantrana eto Madagasikara noho izany io. Isan’ny hanompanana izany ny sehatry ny angovo, ny fitaterana, ny fambolena, fa indrindra ny indostria. Tafiditra ao anatin’izany ny fanodinana ny vokatra ara-pambolena (agribusiness), ny vokatra ara-piompiana, ny vokatra an-dranomasina, angovo,… Hanatsara ny tontolo ara-pampiasam-bola tsy miankina amin’ny indostrian’ny fanodidina akora, tahaka ny fanodinana sakafo, lamba, asa vaventy. Natao hanohanana sy hanafainganana ny fampiroboroboana ny faritra fampiroboroboana ny ara-indostrialy na ZEI (Zones d’Emergence industrielle), ka isan’izany ny hananganana indostria mikasika ny fanodinana lamba ao Moramanga, fanodinana voankazo sy legioma ao Antsirabe, orinasa momba ny asa vaventy na BTP ao Toamasina,... Tafiditra indrindra ao anatin’ny ODOF (One District One Factory) rahateo io. Isan’ny hahazo tombony amin’izany ny Fanjakana amin’ny alalan’ny fanamafisana ny lafiny araka ny lalàna ny rafitra misahana ny fampiroboroboana ara-indostrialy sy ny fampiroboroboana ny fampiasam-bola ataon’ny tsy miankina, saingy tsy hijanona amin’izany fotsiny fa tena mila hita ny faritra ara-indostrialy mijoro na ZEI, mila asa mivaingana satria mitaky izany ny findramam-bola, hoy ny mpandrindra ny PAISF Atoa Christian Rasoamanana. Mikendry ny hanamorana ny 3P (Partenariat Public-Privé) ihany koa ity PAISIF ity, izay natao hisintonana ny tsy miankina hiditra an-tsehatra amin’ny fampiroboroboana ara-potodrafitrasa. Hisy ihany koa ny fananganana FNDI (Fonds National de Développement Industriel) hanohanana ny PME na ny orinasa madinika sy salantsalany. Mitana ny 15% amin’ny harin-karena faobe ny indostria amin’izao, ka tanjona ny hampiakatra azy 25% hatramin’ny 2028, hamorona harena hatrany amin’ny 1,5 miliara dolara, raha ny nambaran’ny Minisitry ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana Atoa Edgard Razafindravahy, izay niara-nanokatra PAISF niaraka tamin’ny solontenan’ny BAD eto Madagasikara Adam Amoumoun.

Toky R

 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

1400 miliara Ariary eo, ankoatran’izay efa nampidirina anaty kitapom-bolam-panjakana, ny hetra tsy tafiditra,

Card image cap
18-avril-2024

Niresaka tamin’ny sehatra tsy miankina foana ny fitantanana ankapoben’ny hetra na DGI,

Card image cap