airtel

Toekarena

19-mai-2022

Toekarena

Fanafarana sakafo Mandany 600 tapitrisa dolara isan-taona i Madagasikara

Sample post image

Tokony efa hihoatra ny dingana arahana mikasika ny fametrahana ny fahavitan-tena ara-tsakafo eto Madagasikara izay resahan’ny fitondrana ankehitriny efa ho isan’andro, hoy ny mpanao politika,

19-mai-2022

Zaza Ramandimbiarison. Hita ho resaka fotsiny izany amin’izao fotoana izao, hoy izy. Mahatratra hatramin’ny 600 tapitrisa dolara isan-taona ny vola lanin’I Madagasikara amin’ny fanafarana sakafo. Mihoam-pampana ny fanafarana ataontsika ary mety hanahirana izany ho an’ireo taona ho avy. Miantehitra amin’ny fanafarana I Madagasikara ary tsy mbola mahavokatra ny filan’ny Malagasy isan’andro. Ny 80%n’ireo mponina mihary eto anefa dia tantsaha ary I Madagasikara dia manana velaran-tany mirefy hatrany amin’ny 8 tapitrisa hektara hamokarana. Mitaky famokarana mifanaraka amin’ny teknolojia ankehitriny ny fanavaozana ny toekarena malagasy, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nifanakalo traikefa tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny any Maroc ny ekipan’ny ODOF.

Card image cap
23-avril-2024

Mbola mitohy ny fisoratana anarana amin’ny loka Pierre Castel. Hifarana ny 24 aprily ho avy izao ny andiany amin’ity 2024 ity.

Card image cap