airtel

Toekarena

21-janv-2026

FANAINGANA NY TOEKARENA

Ary raha mba manao «

Sample post image

panneaux solaires » ho an’ny orinasa e ?

21-janv-2026

Misy ny safidy amin’ny fitantanana tsy maintsy ataon’ny mitondra ka ho an’ny fanavaozana dia tsy maintsy nojerena aloha ireo olana fototra nahatonga ny hetsika manerana ny nosy tamin’ny taon-dasa iny .Tsy inona izany fa ny jiro sy rano, izay tena iankinan’ny fiainan’ny isan-tokantrano, iankinan’ny toekaren’ny firenena satria mila angovo, mila rano ny famokarana, ny orinasa, ny indostria. Tsapa ny ezaka, hita ny asa , azo tsapain-tanana ny fivoarana . Mbola lavitra anefa ny lalana raha io angovo io no resahana satriia hatreto dia tsy mbola tratra ilay vokatra mahavita manome fahafahampo ny mpanjifan’ny jirama rehetra efa misy ; mbola resaka hafa raha hoe misy manjifa vaovao ho avy na hoe misy orinasa vaovao misokatra. Efa tafiditra ao anatin’ny fandaharanasan’ny fitondram-panjakana ny famokarana angovo madio, azo havaozina ka ny avy amin’ny herin’ny masoandro aloha izao no tena hihazakazahana ankoatry ny angovo azo avy amin’ny rano. Somary lafo ilay angovo avy amin’ny rivotra, noho ny fitaovana ampiasaina mifandraika aminy. Mazava tsara fa tsy misy fampandrosoana azo antenaina raha tsy voefehy ny sehatry ny angovo, angovo ho an’nhy isan-tokantrano, angovo ho an’ny orinasa, angovo ho an’ny indostria. Efa nampahafantarin’ny governemantan’ny fanavaozana ilay « panneaux solaires » ho an’ny isan-tokantrano azo aloa vola tsikelikely araky ny fahafaha-mividy. Ezaka tena tsara izany, fa mila jerena ihany koa ny an’ny orinasa , madinika sy salantsalany izay napetraka ho fototra hanaingana ny toekarena. Tsy afaka miandry ny fivahana 100% ny olan’ny jirama ny asan’ireo orinasa, fa mila mandeha isan’andro hita tamin’ny alalan’ilay tetikasa jiro solaire ho an’ny oniversite manerana ny nosy fa azo atao tsara ny manangana izany ao anatin’ny 2 volana izany hoe 60 rehefa ampy ny fitaovana ; koa inona moa no antony tsy hanitarana izany ho an’ny orinasa ? Tohanana ireo orinasa madinika sy salantsalany mba ahafahany miroso amin’ny fametrahana « panneaux solaires » mamokatra herinaratra hamiodinany ny milina ampiasainy, hampandehanana ny solosaina sy ireo fitaovana elektronika ao aminy. Azon’ny fanjakana atao tsara ny mitady mpiara-miasa , mpiara-miombon’antoka amin’ity resaka « panneaux solaires » ity, teknisiana malagasy mahay ary mahavita tsara mametraka sy mampandeha izany, araka ireny hita teny amin’ny onivesitem-panjakana ireny.Efa manova zavatra maro ary azo antoka fa hisy vokany tsara amin’ny toekarena raha misy orinasa madinika sy salantsalany 1000 manerana ny nosy, ohatra misitraka ny « panneaux solaires » amin’ity taona 2026 ; Atsipy ny teny any am-pon’ny mahay e !
RTT
 

Dans la même rubrique

05-mars-2026

ato ny lalam-barotra miantsinanana»

Card image cap
05-mars-2026

be dia be saingy…»

Card image cap