Nentin'ireo tantsaha nidina an-dalambe ny lavanila tsy nisy mpividy amin'ny 75.000Ar. Samy nitondra ny vokatra tsy nisy mpividy izy ireo ary nobahanany ny lalam-pirenena mampitohy an’i Sambava sy Andapa. Vao naheno ity tranga ity ny Prefen'i Sambava dia nanao be midina niaraka amin'ny mpitandro filaminana hamerina ny filaminana, hoy ny fampitam-baovao. Misy managamo amin’ny vidiny mora ny tantsaha, ary mpandraharaha matanjaka no voalaza fa tena manao izany, ary ireo tsy mpanao fampodiana vola vahiny na « rapatriement des devises » no isan’ny voatonontonona ao anatin’io. Manomboka mitroatra noho izany ny tantsaha. Tsara ihany koa anefa no mampahatsiahy etsy ankilany, fa propagandin’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina ny hampiakatra avo telo heny ny vidin’ny lavanila ka asa hoe : izay ve no niseho ?
Toky R
Nanampy an’i Madagasikara amin’ny fandrafetana ny paikadin’ny AGOA 2022-2025