Raha mahatsangana orinasa iray mantsy ny tanora iray dia tsy voatery hiandry asam-panjakana sy hiasa amin’ny tsy miankina izy no sady afaka hanome asa ireo olona marobe manodidina azy ihany koa. Izany indrindra no nanosika ireo delegasiona mafonja avy amin’ny Fonds Pierre Castel andiany faharoa nandalo teto amintsika nanomboka ny 18 aprily lasa teo. Anton-dian’izy ireo tamin’izany ny nanokatra sy nisantatra ilay fiaraha-miasa “Systèmes alimentaires et Entrepreneuriat en Afrique’’ amin’ny alalan’ny lalam-piofanana eo anivon’ny sekoly ambony , Ecole Supérieure des Sciences Agronomiques ESSA ao amin’ny oniversiten’Antananarivo. Nandritra izany no nanambaran’Aroa Pierre de Gaetan Njikam, tale jeneralin’ity tetikasa ity sy Madama Eva Tournaire, lehiben’ny tetikasa – Chaire Système Alimentaires et Entrepreneuriat en Afrique, fa efa an-dalana indray ny andiany vaovao momba ny Prix Pierre Castel. Tanjon’ izy ireo ny hanampiana ireo tanora malagasy handraharaha mifanaraka amin’ny filan’izy ireo hahafahana mampandroso ny firenena. Ho afaka hanao fianaran’asa ao amin’ny orinasa Star ireo tanora tena vonona amin’izany sy manana traikefa. Narahina fizarana traikefa teo amin’ny roa tonta izany. Mikasika ny fifaninana Prix Pierre Castel tamin’ity taona ity dia marobe ireo mpitsara nanotrona izany toy ny avy amin’ny sendikan’ny indostria eto Madagasikara, ny ministeran’ny fambolena sy ny fiompiana…
Pati
Legende : Nandritra ny fandalovan’ireo ekipa avy amin’ny Fonds Pierre Castel
Tanterahina nanomboka omaly Alakamisy 21 Septambra haharitra 4 andro eny amin’ny Forello Expo Tanjombato ilay hetsika
Manamafy ny fanarahamaso ny fitsarana ara-bola i Etazonia. Nisy noho izany ny fanoloran’ny vahoaka sy ny