airtel

Toekarena

11-mai-2022

Toekarena

Fanarenana ny toekarena Nampaneno lakolosy ny Banky iraisam-pirenena

Sample post image

Miandry ireo soso-kevitra avy amin’ny Malagasy mba hahafahana manarina haingana ny toekarena ny Banky iraisam-pirenena, izay eo anilan’i Madagasikara hatrany amin’ny resaka asa fampandrosoana.

11-mai-2022

Nisongadina io omaly nandritra ny fihaonana teny amin’ny Novotel – Alarobia, nandritra ny fihaonana teo amin’ny Banky iraisam-pirenena sy minisitra maromaro avy ao amin’ny governemanta.Voaresaka fa nisy akony ratsy tamin’ny toekaren’ny firenena ny valanaretina Covid 19, mbola nampidi-doza ihany koa ny fandalovan’ireo rivodoza nifanesy ary tsy azo odian-tsy hita ny fiantraikan’ny ady any Ukraine.Etsy ankilan’izay anefa notsipihin-dramatoa Marie Chantal, solotena maharitry ny Banky Iraisam-pirenena eto Madagasikara fa antony mampihisatra ny fampandrosoana ihany koa ny tsy fahampiana seha-pihariana sy famokarana, ny tsy fahampian’ny olona miasa ary ny tsy fahampian’ny fiovam-penitra mankany amin’ny tsara kokoa. Fotoana hirosoana sy hanovana izany rehetra izany ankehitriny, hoy izy ary vonona ny hanohana an’i Madagasikara ny Banky iraisam-pirenena. Fampitomboana ny harinkarena mba hisy akony any amin’ny Malagasy rehetra fa tsy ho an’olom-bitsy no tanjona, hoy hatrany Ramatoa Marie Chantal. Tsy tongatonga ho azy izay sintona lakolosy sy fanambarana izany satria manana antontan’isa mazava tsara momba ny tena zava-misy marina eto Maadagasikara rahha izany Banky iraisam-pirenena izany ary mahafantatra tsara fa mitombo isa be ny Malagasy sahirana.
SOSO-KEVITRA HAFA
Rehefa alalinina ity fihaonana omaly ity dia toa te hilaza izany ny banky iraisam-pirenena hoe : omeo soso-kevitra hafa ho amin’ny fanarenana ny toekarena izahay, izany hoe mbola tsy izy izany aloha ilay resaka IEM lasa PEM. Rehefa nojerena ireo minisitra anisan’ny nanatrika ny fihaonana dia singanina ohatra ny minisitry ny vola, ny angovo, ny atitany, ny fambolena…izany hoe ireo departemanta tena saropady sy mila miasa mafy satria fototra iaingan’ny fampandrosoana.Mibaribary ihany koa ny raharaha eto fa matoa nisintona lakolosy ny mpamatsy vola dia mety matoritory na variana amin’ny zavatra hafa izany ny fitondram-panjakana ; izay tokony lohalaharana nampiantso fivoriana niarahana tamin’ireo mpiara-miasa sy mpiara-miombon’antoka raha tena nieritreritra tokoa ny hametraka haingana drafi-panarenana ny toekarena.
RTT

 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nifanakalo traikefa tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny any Maroc ny ekipan’ny ODOF.

Card image cap
23-avril-2024

Mbola mitohy ny fisoratana anarana amin’ny loka Pierre Castel. Hifarana ny 24 aprily ho avy izao ny andiany amin’ity 2024 ity.

Card image cap
22-avril-2024

Tena mampieritreritra lalina ny tenin'ny mpitandrina tao amina fiangonana iray ny alahady lasa teo.

Card image cap