momba ny décoration événementielle. Anisan’izany ny fanaingoana ny toerana hidiran’ny mpanam-bady iray ohatra, ny ao am-piangonana, ny fanaingoana ny latabatra hihinanana… Nisitrika izany ireo mpikambana ao amin'ny Tama Moramanga ny Sabotsy 18 mey lasa teo, hetsika nokarakarain’ny filoha mpanorina ny fikambanana Razafimandimby Rija Ethel. Fampiofanana fahatelo azon'izy ireo izany izay notarihin’ny mpandrindra an'i Moramanga, Ramatoa Virgine. Mbola hitohy moa ny hetsika amin’ny volana Jona ho avy izao, ka hisy fampiofanana mahakasika ny fanaovana tetikasa "Gestion de Projet" ary hisitraka izany ihany koa ny faritra hafa. Tanjona ny hanatsara ny fidiram-bolan’ny mpikambana hahafahana manatsara ny fiharin-karena ihany koa. Rehefa afaka mamokatra mantsy ny olona iray dia tsy ho vesatra ho an’ny manodidina intsony ary hisy akony lehibe eo amin’ny fiainam-pirenena izany.
Pati
Legende : Ireo mpikambana eo anivon’ny TAMa nahazo fiofanana !