ka ao anatin’ny roa andro (27 sy 29 jona 2023) no hatokana amin’ny fandrafetana ny fifanarahana ara-indostrialy etsy amin’ny Novotel Alarobia, raha ny fampahafantarana. Raisina avokoa ireo sehatra fototra sy mamaly ny filàn’ny mponina ary ny toekarena Malagasy toy ny fandraharahana momba ny fambolena, ny lamba, ny fanodinana ny harena ankibon’ny tany, ny momba ny loha-menaka ary ny angovo azo avaozina. Nanomboka ny talata teo ny fanaovana ny dinik’asa isaky ny vondrona araka ireo sehatra fototra ireo izay ahitana ireo mpisehatra rehetra na tsy miankina na ny rafi-panjakana izany dia voasolontena avokoa. Nojerena tamin’io andro voalohany io ireo teboka goavana tokony ho hita ao anatin’ny fifanarahana ara-indostrialy izay ahitana ireo fandraisan’andraikitry ny roa tonta (sehatra tsy miankina sy rafi-panjakana). Araka ny nambaran’ny Minisitra Edgard Razafindravahy tamin’ny “Journées de programmation industrielle” ny 24-26 mey 2023 lasa teo, tsy maintsy amin’ity faran’ny volana jona ity ny fifanarahana ara-indostrialy ity ho tombontsoan’ny toekarena Malagasy sy fampandrosoana ny indostria eto an-toerana. Marihana fa miaraka mifanome tanana sy miara-miasa ny EDBM (Economic Development Board of Madagascar) sy ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana izay Filohan’ny komity mpitarika eo amin’ny fanatanterahana ny dinika iarahan’ny rafi-panjakana sy ny sehatra tsy miankina (DPP), hoy ny fampitam-baovao.
Nangonin’i Toky R