airtel

Toekarena

23-févr-2022

Toekarena

Fandoavan-ketra 60% ny an’i Talatamaty tamin’ny 2021

Sample post image

Nahatratra 60% tamin’ny taona 2021 ny tahan’ny fandoavan-ketra ho an’ny kaominina Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo.

23-févr-2022

Mbola nahatratra 70 ka hatramin’ny 75% izany talohan’ny nisian’ny valan’aretina COVID 19 raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanana Raharinoasy Elie Dominique. Paikady hafa mihitsy no nampiasain’izy ireo raha araka ny fanadihadiana natao ka anisan’ireny ny fanofanana olona manao fanentanana sy mitety tokantrano mba handoa hetra. Manampy izany ny hamaroan’ireo orinasa vaventy misy eo anivon’ity kaominina ity izay mazoto mandoa hetra ihany koa amin’ny ankapobeny. Azo lazaina ho milamina amin’ny ankapobeny ny fandoavan-ketra ho an’ity kaominina ity. Mikasika ny fampitomboana ny tahan’ireo ankizy miditra an-tsekoly manokana dia fantatra fa nahatratra 400 ny isan’ ireo ankizy notolorana kopia mari-pahaterahana maimaim-poana tao amin’ity kaominina ity andro vitsy lasa izay. Vokatry ny fiaraha-miasan’ny kaominina tamin’ny fikambanana Justice et paix eo anivon’ny fiangonana katolika Imerinafovoany no nahafahany nanatontosa izany.
Pati
Legende : Raharinoasy Elie Dominique, Ben’ny tananan’ny kaominina Talatamaty
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

miainga any amin’ny fanisana na «comptabilité» ny fanatsarana ny fampidiran-ketra,

Card image cap