tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 26 Mai 2023

airtel

Toekarena

Fandraharahana eto Madagasikara Ny vahiny antsoina, ny Malagasy potehina ?

Nanamarika iny faran’ny herinandro iny ny fisian’ilay hetsika nataon’ny fitondrana Rajoelina izay atrikasam-pirenena mikasika ny fampiasam-bola ho an’ny Planina hoenti-mampandroso an’i Madagasikara.

31-oct-2022

Sample post image

Niseho tamin’ny endrika atrik’asa niafara tamin’ny karazana fampisehoana fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa tamin’ny orinasa vahiny, raha tsy hilaza afatsy ny sehatry ny fizahantany, izay nisy fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa tamin’ny orinasa vahiny miisa 6 teo, izay vonona amin’ny fananganana hotely kintana 5 sy fandraharahana ara-pizahantany. Ny sehatry ny angovo izay nisy “memorandum” miisa 8 iarahana amin’ny orinasa miisa 4 nosoniavina. Tafiditra ao anatin’izany ny fiaraha-miasa amin’ny orinasa Piromax hamokatra charbon écologique, ny CNEP amin’ny tetikasa 3: biogaz Andralanitra, central thermique Andralanitra, central bio-mas amina toerana 9,… Tahaka izany ihany koa ny tontolon’ny fitaterana anabakabaka, izay voalaza fa hisy ny fiaraha-miasa hahazoana fiaramanisina. Ny fifanaovan-tsonia no vita, fa ny fanatanterahana mbola andrasana satria tsy vao sambany no nisiana fampisehoana tahaka izao hoe: ireo ny mpamatsy vola sy ny mpampiasa vola fa ny fahatongavako eo no ela. Miezaka miantso vahiny isika amin’ny fandraharahana sy fampiasana vola eto Madagasikara. Fa mba manao ahoana ny fijerena sy ny fanalalahana ny fandraharahana eto Madagasikara? Resahana izao ny resaka fitaterana anabakabaka ka moa afaka ny hiverina sy hahazo sehatra ve ny orinasa iray ana mpandraharaha akaiky ny fitondrana teo aloha? Resahina ny tetikasa ODOF (One District One Factory) fa tena havela hiasa malalaka ve ny orinasan’ny filoha iray teo aloha izay fanta-daza tamin’ny tontolon’ny indostria fanodinana ara-tsakafo izay nodorana tamin’ny 2009? Raha nisy ny fivoizana tany aloha fa manao ampihimamba Rakoto na Rabe, moa efa malalaka ve ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara sa maro ny sehatra giazan’olom-bitsy ary ny olom-boafidy Roland Ratsiraka izay efa niara-dia tamin’ny filoha ankehitriny aza vaky vava amin’izany amin’izao, toy ny amin’ny sehatry ny lavanila, lodisia.
Toky R
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Madagasikara-Vondrona Eoropeanina Stratejika be ny dinika politika faha-11
26-mai-2023

Hotanterahina eny amin’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny Anosy ny 20 jona ho avy izao ny fifampiresahana politika na « Dialogue politique » faha-11 eo amin’i Madagasikara sy ny Vondrona Eoropeanina.

Card image cap
Fanondranana harena an-kibon’ny tany
26-mai-2023

Nampidi-bola 5400 miliara Ar ho an’ny 2022

Card image cap
Lalàna momba ny famatsiam-bola Ohatra tsara azo alain-tahaka ireo firenena miteny Anglisy
26-mai-2023

Tamin’ireo toerana rehetra nalehako, raha tsy diso aho, hoy ny mpandraharaha ara-bola, Arizaka Rakoto,

Card image cap
Fiarovana ny sehatry ny fandraharahana ara-bola
26-mai-2023

Andraikitra iaraha-manana, hoy i Arizaka Rakoto

Card image cap
Siteny Randrianasoloniaiko «Ity no fitondrana tena namotika ny lavanila…»
26-mai-2023

Nanantena isika mba ho 3 tapitrisa Ariary no vidin’ny lavanila, hoy ny depiote Siteny Randrianasoloniaiko tany Ampanefena – Vohemar, ao anatin’ny faritra SAVA omaly. Amin’izao fotoana izao, hoy izy, ohatrinona?

Card image cap
Fampiroboroboana ny indostria Hamoaka tondrozotra ny Fanjakana sy ny tsy miankina
25-mai-2023

Tanterahina eny amin’ny Novotel Ivandry ny 24-26 may ny “Journées de programmation industrielle » eo iarahan’ny

Voir plus