airtel

Toekarena

18-nov-2021

Toekarena

Fandraharahana sy fampiasam-bola Mifamono fa tsy mifamelona ny Malagasy

Sample post image

Adivehitra be ilay resaka hanomezana ny valanjavaboaharin’I Tsimbazaza ho an’ny Vondron’orinasa Axian, izay ana teratany karana. Fifanarahana goavam-be ao anatin’ny 30 taona,

18-nov-2021

 izay maro no mandika azy ho fivarotana sy famadihan-tanindrazana. Tsy ampy fanazavana sy fangaraharana avy amin’ny Fanjakana rahateo. Mandeha ny fanehoan-kevitra, fa raha homena ny tsy miankina ihany, dia tokony ho orinasa Malagasy no homena azy. Betsaka ny mpandraharaha Malagasy manam-bola, saingy toa misy karazana fanomezana tombondahiny sy tombotsoa manokana ny vahiny ilay raharaha. Ahiana ho misy ambadika sy tambiny ara-politika. Ekena fa fomba fanao any ivelany ny fiaraha-miombon’antoka eo amin’ny orinasam-panjakana, sampan-draharaha, sehatra iray,… amina sehatra hafa avy any ivelany, toy ny Air France izao dia miara-miombon’antoka amin’ny Irlandais ny Frantsay, ka lasa Air France-KLM, ny Hotely Georges V , anisan’ny goavana sy malaza be ao Paris dia Saodianina mpanefoefo no mitantana azy, ny trano fivarotana goavana any Londres saika karana no tompony; firifiry ireo Italianina sy Iranianina tompona orinasa sy trano fivarotana manan ny maha izy azy any Etazonia. Ao anatin’ny fifanarahana mazava sy mangaraharaha anefa no tokony hanaovana izany, ary io no tsy ampy eto amintsika. Ny any Dubaï ohatra, misokatra tanteraka amin’ny mpandraharaha sy mpampiasa vola fa ny fepetra no mila mazava. Tena manome antoka sy miaro ireo mpampiasa vola ao aminy, ary tena milamina be ny « climat des affaires ». Ny any Eoropa ampiana sy tohanana ny mpandraharaha rehefa tojo olana, mifamelona ny Fanjakana sy mpandraharaha satria ireo no avokavoky ny toekarena. Ho antsika eto Madagasikara kosa, manana antoka kokoa ny mpandraharaha vahiny mahay miara miasa sy mibizina amin’ny mpitondra. Saika mametraka sy mandefa ny volany any ivelany kosa ny ankamaroan’ireo mpandraharaha Malagasy. Matahotra hampiasa ny volany eto satria matahotra antsojay, gafy politika,… Na mety samy manao hadisoana izao aza tsy dia misy izany sinoa sy karana migadra izany fa ny Malagasy no natao ho eny Antanimora sy Tsiafahy. Vao misy Malagasy misondrotra dia tsongolohana ho nangalatra, nanodikodim-bola, nanao afera maizina,… fa ny vahiny madio mangatsakatsaka. Isika samy isika eto ihany no mifamono sy mifandetika, tsy mahay mifandamina, ka lojika raha misosoka ho azy ny vahiny.
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

1400 miliara Ariary eo, ankoatran’izay efa nampidirina anaty kitapom-bolam-panjakana, ny hetra tsy tafiditra,

Card image cap
18-avril-2024

Niresaka tamin’ny sehatra tsy miankina foana ny fitantanana ankapoben’ny hetra na DGI,

Card image cap