airtel

Toekarena

13-févr-2025

Fandraharahana sy fampiasam-bola tao anatin’ny 15 taona

Ny Malagasy miha sahirana, ny vahiny malaina…

Sample post image

Mafy ho an’i Madagasikara ny tsio-drivotra ateraky ny fanafoanan’ny Fanjakana Amerikanina

13-févr-2025

ny tohana samihafa raha tsy hilaza afatsy ny fanafoanany ny USAID. Kenda avokoa ireo tetikasa maro izay mahakasika mivantana ny maha olona ny ankamaroany, toy ny tohana amin’ny lafiny fahasalamana izay ny Amerikanina no mitondra betsaka indrindra eto, ny resaka fanjarian-tsakafo, tontolo iainana,… Nandritra ny taona 2019 hatramin'ny 2024, manodidina ny 786 tapitrisa dolara na 3 935 miliara Ariary no vola nampiasain'ny USAID teto Madagasikara. Asa hanao ahoana no hiatrehana ny fahabangana aterany ? Mila lasitra ara-toekarena sy ara-tsosialy mahomby isika eo anatrehan’ny tsio-drivotra misy satria tsy afaka hiantehitra ny vahiny. Zava-dehibe amin’izany ny fampiroboroboana ny fandraharahana sy famoronan’asa. Ny manahirana anefa, dia tena marary ny seha-pihariana maro, tsy marin-toerana ny antoka ho an’ny fampiasam-bola na avy ato anatiny na avy any ivelany. Betsaka amin’ireo orinasa Malagasy no iharan’ny antsojay toy ny fitakiana hetra mihoampampana na « redressement fiscal » indrindra ireo mpandraharaha mety manana fironana politika mifanohitra amin’ny fitondrana, ny zana-bolan’ny banky eto amintsika midangana ka tsy ahafahan’ireo mpandraharaha mivelatra, ny koliloky, fifaninanana tsy ara-dalàna, ampihimamba,… Ny Malagasy no afaka mampandroso an’i Madagasikara ka mbola hotohizana ve ny famotehana eo anatrehan’ny efa loza mahazo ny Firenena ?

TSY MATOKY SY TSY MANANA ANTOKA NY MPAMPIASA VOLA
Manampy trotraka, tena mbola ratsy toerana i Madagasikara amin’ny resaka fampiasam-bola vahiny mivantana na IDE (Investissement Direct Etranger). Tao anatin’ny 15 taona farany, tsy nitsahatra nitotongana io noho ny toe-draharaha politika, ny tsy fisian’ny Fanjakana tsara tantana, ny kolikoly,… « Ny mpampiasa vola, raha handeha amin’ny Firenena iray dia misy zavatra 4 jereny : fepetra ara-toekerana, fitoniana politika, « risque-pays » na ambana mikasika ilay Firenena, ary ny ambana politika. », hoy ny mpahay toekerana Imbeh Serge Jovial. Hatreto, ny fanasokajian’ny rafitry ny Firenena Mikambana momba ny varotra sy ny fampandrosoana (CNUCED) ny jolay 2024 dia naneho fa tafiditra ao anatin’ireo firenena tsy dia mahasarika loatra i Madagasikara, raha ny haavon’ny fidiran’ny IDE. Nahitana fitomboana mihoatra ny 372% ireo fidiran’ny IDE teo anelanelan’ny taona 2006-2008 noho ny fiverenan’ny filaminana ara-tsosialy sy ny fisandratan’ny toekarena, saingy nitotongana nanomboka ny 2009 nisian’ny fanonganam-panjakana, niova avy amin’ny 1269,4 tapitrisa dolara ho 313,68 tapitrisa dolara tamin’ny taona 2014. Teo amin’ny 415 tapitrisa dolara ny taona 2023, izay latsaka noho ny 2022 (468 tapitrisa dolara),... Ireo mpibizina miaraka amin’ny mpitondra na « investisseur sac à dos » no lasa betsaka fa ny tena mpampiasa vola hanome aina ny toekarena malaina.

TSY VITAN’NY FIARAHANA MAKA SARY NY FITOKISANA…
Manaporofo ireny ny fanasokajian’ny Banky Iraisam-pirenena izay nametraka antsika ho firenena faha-161 amin’ny 190 amin’ny resaka « doing business » na ny faharisihana hampiasa vola amin’ny Firenena iray. Ireny no isan’ny handrefesana ny fahatokisan’ny mpiara-miombon’antoka ny Fanjakana ka mila ezahana harenina ny tsy mety, fa tsy serasera fiaraha-maka sary amin’ny tompon’andraikitra ambony iraisam-pirenena isak’izay miodina kanefa tsy misy vokany toy ny fanaon’ny Mpitondra ankehitriny.
Toky R

 

Dans la même rubrique