airtel

Toekarena

16-sept-2022

Toekarena

Fanjonoana tsy ara-dalàna Very vola hatramin’ny 100 tapitrisa dolara i Madagasikara

Sample post image

Tena hanarian’ny firenena maro vola betsaka ny fisian’ny fanjonoana tsy ara-dalana hataon’ireo tsy mataho-tody amin’ny sisin-dranomasina.

16-sept-2022

Ho antsika eto Madagasikara na dia efa sangany aza isika aty Afrika amin’izany ady izany dia mbola mahatratra 14 ka hatramin’ny 100 tapitrisa dolara isan-taona ny vola very, raha araka ny fanazavan’ny Minisitry ny jono omaly. Mahatratra 500 ka hatramin’ny 800 tapitrisa dolara kosa izany maneran-tany izay tokony handraisana fepetra hatrany. Ho antsika eto Madagasikara manokana moa dia fantatra fa efa hananantsika ireny karazam-pitaovana haingam-pandeha miisa 40 hanenjehana ireo mpanjono tsy ara-dalana ireny. Vokatry ny tohana sy fankasitrahana nataon’ny SADC avokoa no nahafahana nanatanteraka izany, SADC izay marihina fa mbola mpiara-miasa akaiky amintsika hatrany manoloana ity ady hatao amin’ny fanjonoana tsy ara-dalana ity.
Pati
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nifanakalo traikefa tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny any Maroc ny ekipan’ny ODOF.

Card image cap
23-avril-2024

Mbola mitohy ny fisoratana anarana amin’ny loka Pierre Castel. Hifarana ny 24 aprily ho avy izao ny andiany amin’ity 2024 ity.

Card image cap