Tamin’ny ankapobeny dia somary nangina izany raha oharina tamin’ny fetin’ny Reny izay nankalazaina ny 29 May lasa teo. Nihena hatrany amin’ny antsasany mihitsy ny mpividy fanomezana raha araka ny resaka nifanaovana tamina mpivarotra kojakoja ho am-behivavy sy ho an-dehilahy iray. Raha nahalafo akanjo ba mafana ho am-behivavy miisa 20 izy tamin’ny Sabotsy talohan’ny fetin’ny Reny dia tsy nisy afa-tsy 7 teo ho eo no lafony sisa tamin’ny Sabotsy teo talohan’ny Ray omaly raha fanomezana ho an’ny Raim-pianakaviana no nasian-teny. Midoika izany hoy izy fa sahirana ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy. Tsy vitsy ihany koa ireo ankohonana mahatsiaro efa banga noho ny tsy fisian’ny Ray eo aminy intsony noho ny antony maro, antony mampihena ny mpividy ihany koa.Tsy dia nisy mpividy ihany koa ny mofomamy sy ny laoka miavaka toy ny akoho amam-borona teny an-tsena. Na izany aza anefa dia fantatra kosa fa tena nahazo vola ny bara nanomboka tamin’ny Zoma hariva ka hatramin’ny omaly Alahady. Tamin’io andro io mantsy dia efa nanomboka nanao fety ny ankamaroan’ny Raim-pianakaviana, lanonana mbola nitohy omaly hariva hatrany an-tokantrano. Ny labiera sy ny toaka no tena nandeha raha araka ny fanadihadiana natao hatrany.
Pati
Legende : Nandehabe tahaka izao ny labiera sy ny toaka teny amin’ny bara !