airtel

Toekarena

23-juil-2026

Fanohanana ny mpandraharaha

tanora 200 miliara Ar ho an'ny tetikasa FANDROSO

Sample post image

Natomboka ofisialy omaly 22 jolay 2026

23-juil-2026

teny amin’ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra ny Fandaharanasa Nasionaly FANDROSO, mitondra teny filamatra hoe « Manangana ny hoavy ». Fandaharanasa natao hanohanana ireo tanora manana tetikasa, na vao hiditra amin’ny sehatry ny fandraharahana, na efa manana orinasa madinika sy salantsalany ka maniry hanitatra ny asa izy io. Tanjona ny hanamorana ny fahazoan’izy ireo famatsiam-bola hoenti-mampandroso ny tetikasa. "Maro mantsy ny tanora manana vina saingy noho ny tsy fananana antoka…" hoy i Andry Raobelina, Filohan’ny Filan-kevi-pitantanana ny fandaharanasa. Nambaran’ny Filohan’ny Fanavaozana Kolonely RANDRIANIRINA Michaël kosa fa vola mitentina 200 lavitrisa Ariary no hatokana ho famatsiana ny FANDROSO, ho porofo fa tsy kabary fotsiny ny fanambarana natao tamin’ny 31 desambra 2025. Nohamafisiny fa ‘’tanora maro no miditra eo amin’ny tsenan’ny asa…’’ ary tsy olana ho an’i Madagasikara ny tanora fa vahaolana. Tsy tokony hiandry asa fotsiny ny tanora fa ho lasa mpamorona asa mihitsy. "Maro ireo tanora manana talenta sy fahaizana-manao…" hoy hatrany izy. Mizara ho sokajy roa ny fandaharanasa: "TSIRY" ho an’ny tanora vao manomboka na "start-up", ary "TAFITA" ho an’ireo efa manana tetikasa ka te hanitatra. Afaka mahazo famatsiam-bola hatramin’ny 60 tapitrisa Ariary ny tanora, arakaraka ny sokajy sy ny fepetra takiana. Vola averina miaraka amin’ny zanabola ambany, ao anatin’ny 2 na 3 taona. Hisokatra amin’ny sehatra maro: fambolena, fiompiana, jono, varotra, fizahantany, indostria, tolotra, nomerika, teknôlôjia,... "Ny fahombiazan’ny FANDROSO dia horeferesina amin’ny isan’ny orinasa vaovao tafajoro…" hoy hatrany ny Filohan’ny Fanavaozana. Niantefa tamin’ny banky sy ny mpiara-miombon’antoka ny antso mba hiara-hiasa amin’ny tanora Malagasy. "Aoka mba ho ao anatin’ny fangaraharana tanteraka ny fifantenana…" hoy hatrany ny Filoham-panjakana.
Toky R
 

Dans la même rubrique