airtel

Toekarena

20-nov-2026

Toekarena

FANOMEZANA HERY ARA-TOEKARENA NY VEHIVAVY

Sample post image

Miisa 60.000 ireo kendrena

20-nov-2026

hahazo tombontsoa amin’ny EAGER
Hiara-kiasa akaiky ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina sy ny tetikasa EAGER manomboka izao. Hiompana amin’ny fanatsarana ny fari-piainan’ny vehivavy sy ny zatovovavy eto Madagasikara izany. Notanterahina omaly 19 Novambra teny amin’ny CCI Ivato, ny fifanaovan-tsonia mifandraika amin’izany. Vehivavy manodidina ny 60 000, eo anelanelan’ny 18 sy 35 taona, no kendrena hahazo tombontsoa amin’ity fandaharan’asa ity. Anisan’ny tanjona ny hanamafisana ny fahaiza-manaony, ny fanohanana ireo tetikasa fandraharahana himasony ary ny hanamorana ny hahazoany famatsiam-bola, mba hahafahan’izy ireo mampivelatra asa fivelomana. Araka ny nambaran’ny Minisitry tompon’andraikitra Raharimanjato Ny Riana Nampoina, dia tetikasan’ny Fanjakana Malagasy vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena vola ny EAGER. Ilaina hoy izy ary tena tadiavina mihitsy ny fiaraha-miasa sy ny fifamenoan’ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina mba hampiroboroboana ny toekarena. Tanjon’ny roa tonta amin’izao fiaraha-miasa izao araka izany ny hanomezana fahafahana bebe kokoa ny vehivavy sy ny tanora handray anjara amin’ny fampandrosoana ara-toekarena, eo amin’ny sehatry fandraharahana sy ny famoronan’asa ho enti-miady amin’ny fahantrana.
Nangonin’i Pati
Legende : Vonona hiara-kiasa ny roa tonta !
 

Dans la même rubrique