airtel

Toekarena

26-mai-2023

Toekarena

Fanondranana harena an-kibon’ny tany

Sample post image

Nampidi-bola 5400 miliara Ar ho an’ny 2022

26-mai-2023

Nahatratra 5400 miliara Ar ny sandan’ny fanondranana vokatra avy amin’ny harena an-kibon’ny avy eto Madagasikara ho an’ny taona 2023, raha ny tatitry ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika Atoa Rakotomalala Herindrainy Olivier omaly 25 may 2023 nanoloana ireo solombavambahoaka. Mitovy amin’ny 94% amin’ny fampodiana vola vahiny ho an’i Madagasikara io, raha ampitahaina. Ambony lavitra noho ny tamin’ny 2018 izay 2300 miliara Ar io, raha ny nambaran’ity minisitra ity. Tahaka izany ihany koa ny 2019 izay 2800 milara Ar, raha toa ka 1800 miliara Ar ho an’ny 2020 noho ny fandalovan’ny krizy nateraky ny valanaretina coronavirus. Rehefa niverina tsikelikely ny fandraharahana ara-toekarena ny 2021, dia niakatra ho 2900 miliara Ar. Nambara fa anton’ny fahombiazana ny fanavaozana nentina teo amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany, toy ny fampiharana ny fepetra vaovao mikasika ny fampodiana vola vahiny avy amin’ny fanondranana volamena izay tafiditra amin’ny « Régime de l’or » mikasika ny fanokafana indray ny fanondranana volana septambra 2022 teo, anatin’ny fanajana ny bokin’andraikitra mifandraika amin’ny fitsipika sy fepetra taiana amin’ny fitrandrahana sy famarotana harena an-kibon’ny tany, ny fanavaozana ny lanjam-bidin’ny harena an-kibon’ny tany natao ny taona 2022. Ny fametrahana ny antsoina hoe : « zones d’encadrement » maro na faritra fanaovana tantsoroka tamin’ny toerana tena manan-danja be amin’ny fisian’ny harena an-kibon’ny tany ihany koa dia nanampy tamin’ny fahazoana io vokatra io, raha ny nambaran’ity Minisitra ity hatrany. Ny tamin’ny fomba ara-dalàna izay, fa raha ny harena mivoaka antsokosoko eto, dia azo antoka fa mbola ambony lavitra noho io. Raha ny tatitry ny Fitsarana momba ny kaonty ny desambra 2022 izao, dia namoaka fa 795 miliara Ar ny vola vahiny tsy niverina nandritra ny fanondranana volamena teo anelanelan’ny 2018-2021 satria nahatratra 4,5 taonina ny elanelany tatitra ofisialy avy eto sy ny antontan’isa avy tany ivelany toy ny avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena. Ny 780 miliara ariary amin’izany no vola vahiny tsy niverina (non rapatriement des devises), ny 15 miliara ariary kosa ny haba (redevances minières) tokony niditra tao anatin’ny kitapom-bolam-panjakana kanefa tsy tafiditra. Ny 2,5 taonina tamin’ireo dia ho an’ny taona 2021 fotsiny, raha ny tatitra. Tao anatin’izao fitondrana izao rahateo no isan’ny nampalaza indrindra ny trafika, eny fa hatramin’ny volamena 36kg tao amin’ny Minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany aza moa nanjavona, saingy vitavita ho azy. Ny volamena fotsiny izay, fa ny harena an-kibon’ny tany maro mbola resaka hafa.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

miainga any amin’ny fanisana na «comptabilité» ny fanatsarana ny fampidiran-ketra,

Card image cap