airtel

Toekarena

22-sept-2021

Toekarena

Fanondranana lavanila Ahiana ho tafiditry ny famotsiam-bola

Sample post image

Tondroin’ny firaisamonim-pirenena CNPE (Coalition Nationale des Plaidoyer Environnementale) tarihin’Atoa Clovis Razafimalala ny endriky ny lisitr’ireo 66 afaka manao fanondranana lavanila navoakan’ny fanjakana ny alatsinainy

22-sept-2021

 teo. “Mahagaga sy mahasorena raha ity Madagasikara ity misy distrika 20 mahery no misehatra aminy, dia 66 ve no mba afaka hanao fanondranana lavanila”, hoy io mpitarika io tao amin’ny fahitalavitra iray omaly. Tsy mazava ihany koa ny sivana namoahana an’ireo, tsy ampy fangaraharahana, anarana orinasa sy “Numéro statistique” ihany, tokony napetraka teo ny adiresy ahafantarana hoe: iza marina? Voaporofo, hoy izy, fa misy ampihimamba io sehatra io kanefa anaty krizy sy tokony hiditra amin’ny fanarenana ara-toekarena isika. Misy famotsiam-bola ao, raha ny fahitan’izy ireo azy. Ho an’ny lava tànana, dia tsy olana ny fifanarahana amin’ny mpitondra amin’ny “rapatriement des devises”. Milaza hanao tatitra amin’ny iraisam-pirenena ny CNPE ary, mety hiafara amin’ny fidinanana an-dalambe ny raharaha. Mitaky ny fanafoanana ny “prix referential” 250 dolara izy ireo, ary mitaky mba haverina any amin’ny faritra ny fahefana momba ny fametrahana ny vidiny. Rehefa tsy mahay mihaino ny Fanjakana dia tsy ho voatana amin’ny fidinanana an-dalambe ny olona ka atsipiko eto, fa sao hifampisambotra avy eo, hoy I Clovis Razafimalala. Nilaza ihany koa ny depioten’I Toamasina I Atoa Roland Ratsiraka, fa mitohy ny ampihimamba ataon’ny olona akaiky ny fitondrana amin’ny sehatry ny fanondranana lavanila, taorian’ny fivoahan’ireo lisitra miisa 66 nahazo alalana lavanila, raha toa ka 300 mahery ny fanggatahana. Mitohy ilay fomba ratsin’ny fitondrana. Mampihazakazaka ny fahantrana, misy olona tsy ary nanao lavanila mahazo alalana, ary misy ny efa hatramin’izay efa matihanina tsy tafiditra. Misy havan’ny filoha, naman’ny filoha izay tsy mpanao lavanila, fa mpanao litchi no tafiditra. Mikatso tsy mandeha amin’ny laoniny satria teren’ny fanjakana, teren’ny olon-tokana izay tsy ao anatin’ny Fanjakana no mametra hoe: izao no hamerana. Aty Antananarivo no mametra ny vidin’ny lavanila any SAVA. Aoka izay ny ampihimamba ara-toekarena, hoy io depiote io.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nifanakalo traikefa tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny any Maroc ny ekipan’ny ODOF.

Card image cap
23-avril-2024

Mbola mitohy ny fisoratana anarana amin’ny loka Pierre Castel. Hifarana ny 24 aprily ho avy izao ny andiany amin’ity 2024 ity.

Card image cap