airtel

Toekarena

11-janv-2022

Toekarena

Farihin’i Tatamarina ao Betafo “Tokony hampiditra 400 000 000 Ar ny fihariana trondro”

Sample post image

Tsy latsaky ny 400 000 000 Ar ny vola tokony hiditra avy amin'ny seha-pihariana jono raha voatrandraka araka ny tokony ho izy ny farihy Tatamarina,

11-janv-2022

 mirefy 7ha ao amin'ny Fokontany Andriamasoandro Betafo, hoy ny minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga Atoa Mahatante Paubert. Nambara fa hisy tetikasa maromaro hotanterahina ho fanarenana ity farihy ity, izay hifarimbonan'ireo manam-pahefana any ifotony sy ny Minisitera hoy izy. Nanome ny toromarika rehetra amin'ny hanatsarana ny vokatra trondro azo amin'ny jono madinika an-dranomamy ho fampiroboroboana hatrany ny Toekarena manga ny minisitra nandritra ny fandalovany tany. Miara-miasa amin'ireo Anjerimanontolo any Antsirabe koa ny minisitera. Anisan'ny fikarohana atao miaraka amin'ireo mpianatra ireo ny fanatsarana ny kalitaon'ny renin-trondro ampiasaina any amin’ ny faritr'i Vakinankaratra. Nasongadin’ny minisitra nandritra ny fitsidihany ny farihy mirefy 90ha ao Andranobe Atsinanana, Antsirabe I ihany koa fa efa mety sy zava-dehibe ny lamina mipetraka eo amin'ny fitantanana ny farihy ao Vakinankaratra. Ny fampiakarana ny vokatra sisa no tena imasoana manomboka izao. Eo ihany koa ny fanaraha-maso amin'ny lafiny rehetra, hoy ny fampitam-baovao.
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

1400 miliara Ariary eo, ankoatran’izay efa nampidirina anaty kitapom-bolam-panjakana, ny hetra tsy tafiditra,

Card image cap
18-avril-2024

Niresaka tamin’ny sehatra tsy miankina foana ny fitantanana ankapoben’ny hetra na DGI,

Card image cap