airtel

Toekarena

20-août-2021

Toekarena

Faritra Atsimo Atsinanana Faharoa amin’ny faritra tratra aoriana indrindra

Sample post image

Milamina amin’ny ankapobeny amin’izao fotoana izao ny distrikan’i Midongy atsimo fa misy amin’izao fotoana izao toerana izay any amin’ny sisiny no mafampana indraindray,

20-août-2021

 hoy ny depiote voafidy tany an-toerana, Tovondray Retsanga Brillant De L’or. Toy ny faritra rehetra any atsimon’i Madagasikara io. Samy mifanome tanana amin’ny any atsimo isika rehetra. Ny any atsimo mihitsy no kere noho ny resaka toetr’andro sy ny namany. Raha laharana faharoa amin’ny faritra tratra aoriana eto Madagasikara ny faritra Atsimo atsinanana dia antony mahatonga izany i Midongy sy Befotaka atsimo. Misy ireo ezaka ataon’ny fitondram-panjakana matoa izahay mahazo anjara masoandro amin’ny fotodrafitrasa avy amin’ny minisitera tsirairay. Ny olana dia amin’ireo orinasa manatanteraka asa izay mba tokony ho jerena ihany, indrindra, miaraka aminay solombavambahoaka izay tokony ho ampandrenesina ihany hoe iza marina moa ny orinasa tokony hanana antso hanatanteraka ny asa, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Nahazo ny anjarany tamin’ny milina ODOF ihany koa ny Kaominina Ambohimangakely,

Card image cap