airtel

Toekarena

22-nov-2023

FARITRA ATSINANANA

Nisokatra omaly ny taom-piotazana lodsia 2023

Sample post image

Manomboka androany talata 21 novambra amin'ny 3 ora ny taom-piotazana lodsia 2023,

22-nov-2023

ho an’ny Faritra Atsinanana. Efa miantsona ao amin’ny seranantsambon’i Toamasina ny sambo hitondra lodsia manodidina ny 18 000 taonina ho any ampita, hamonjena ny Tsenan'ny Krismasy. Efa vonona ihany koa ireo mpanangom-bokatra maherin'ny 1 000, nahazo "Agrément" tamin'ny Faritra, hividy ny lodsian'ny tantsaha eny ambanivohitra. Raha hiverenana kely ny tamin’ny herinantaona izany hoe ny taom-piotazana 2022-2023 dia 14 270 taonina no vokatra lodsia naondran’i Madagasikara tany ivelany. Ka ny 13 380 taonina nentina sambo ary ny ambiny notaterina tamin’ny fiaramanidina. Manodidina ny 5 euros na 24 720 Ariary eo ho eo moa no vidin’ny iray kilao amin’ny lodsia malagasy eo amin’ny tsena eoropeanina.
RTT
 

Dans la même rubrique