airtel

Toekarena

24-nov-2023

Fenitra Ravelomanantsoa, Google

“Ny nomerika dia afaka hampandroso ny firenentsika”

Sample post image

Manampahaizana ny Malagasy ary anisan'ireo sangany i Fenitra Ravelomanantsoa,

24-nov-2023

tovolahy mitantana ekipa misehatra amin’ny fiarovana antotan-kevitra na “protection de données” ao amin’ny orinasa iraisampirenena, Google, raha ny angom-baovao hita tao amin’ny pejin’ny Madajeune News. Vao 12 taona izy dia efa nandao an'i Madagasikara rehefa nifidy ny honina tany Toulouse ny fianakaviany. Tany rahateo no nanohy fianarana ary nifidy hianatra lalàna. Nifindra monina matetika aho ary nifanesy nanomboka teo ny traikefa arak'asa, hoy ity tovolahy ity. Nampifandraisiko, hoy izy, ny fahaizana norantoviko mikasika ny lalàna sy ny tekinolojia maoderina ary politika tao Parisy sy Londre ary Zurich. Tsara vintana ihany koa aho afaka nianatra tamin'ireo orinasa vaventy izay mampiasa manam-pahaizana maro. Tsy manadino ny tanindrazako aho. Mahatsapa aza fa fotoana izao hijerena izay mahasoa an'i Madagasikara sy ireo mponina ao. Nisokatra tamin’ity novambra ity tamin’ny fomba ofisialy ny “Maison numérique” voalohany. Hanokatra toy io manerana an'i Madagasikara no tanjoko. Efa nahaliana ahy hatramin'izay ny teknolojia. Izay no nahatonga ny safidiko ho "juriste en droit du numérique" na mpahailalàna amin’ny lalàna mikasika ny nomerika. Resy lahatra aho fa ny nomerika dia afaka hampandroso ny firenentsika! Manana tanora manan-talenta sy miketrika isika fa maro amin'izy ireo no tsy ampy fahafahana. Isaky ny tonga eto Madagasikara aho dia malahelo mahita ireo ankizy tsy afaka manohy fianarana intsony sy ireo tanora sahirana amin'ny fikarohana any am-pianarana noho ny falafosan'ny “connexion internet” na fisitrahana aterineto. Izay indrindra no nananganako ny “Maison du numérique” manome solosaina, fisitrahana aterineto, toerana madio sy milamina maimaimpoana ho an’ny ankizy sy ny mpianatra isan’andro anatin’ny ora 2 satria resy lahatra aho fa afaka hianarana zavatra maro ilaina amin'ny fiainana sy amin'ny hoavy ny Aterineto. Tiako ho toerana hanofanana ny ankizy sy ny mpianatra momba ny asa azo atao amin'ny aterineto koa izy io. Hojerenay akaiky atsy ho atsy. Efa 200 isa mahery izay ny mpianatra nandalo tato aminay. 2 herinandro no nisokatra izahay ary nandona ny foko sy manampy ahy kokoa hampanitatra ny tanjoko, amin'ny resaka nomerika, eto Madagasikara izany. Afaka mahazo voka-tsoa maro avy amin'ny fivoaran'ny nomerika ny firenentsika. Ny hafatro ho an'ny tanora sy ny ankizy dia hoe sahia mikaroka amin’ny alalan’ny nomerika ary tohanako mafy ianareo handraharaha, hamorona vokatra vita malagasy hampandrosoana an’i Madagasikara, hoy hatrany izy.
(Sary Madajeune)

J. Mirija

 

Dans la même rubrique

09-oct-2024

Anisan'ireo Firenena 50 voalohany nanaovana fanadihadiana ara-toekarena ao anatin’ilay « Business Ready »

Card image cap