airtel

Toekarena

30-mars-2022

Toekarena

Fiaingana indostrialy eto Madagasikara Natomboka ny alatsinainy teo ny fifampidinihana

Sample post image

Natomboka ny alatsinainy teo ny fifampidinihana eo amin’ny sehatra miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana na ny atao hoe ‘’dialogue Public Privé” (DPP)

30-mars-2022

 izay niarahan’ireo departemantana minisitera sy sehatra tsy miankina voakasik’izany eto Madagasikara. Araka ny fanazavana voaray avy eo anivon’ny minisiteran’ny varotra sy ny indostria ary ny fanjifana dia hifantoka indrindra amin’ireo olana mampikatso ny fiaingana indostrialy eto Madagasikara izy io noho izany toe-javatra izany ho antony mampihisatra ny fampandroana ekonomika eto amin’ity firenena ity. Samy hitondra ny sosokeviny sy ny vahaolany ny isan-tsehatra ao anatin’izany mba hahatongavana amina tanjona feno ahitana vahaolana fohy ezaka sy lavitra ezaka. Efa finiavana lehibe ny fanekena hiara-kidinika toy izao, hoy hatrany ny fanazavana, ka antenaina fa hamoaka stratejia mahomby izany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

16-avril-2024

Navoitran’ireo Vondron’ny mpandraharaha amin’ny sehatra tsy miankina nandritra ny fihaonana tamin’ny Filoham-pirenena ny

Card image cap