Maromaro ny tombontsoa amin’ny fananana fiaraha-miombon’antoka na «actionnariat» 100% malagasy, raha hiresaka ny fampandrosoam-pirenena entin’ny fandraharahana ara-bola na banky isika, hoy ny tale jeneralin’ny banky malagasy NIM na «Nouvelle institution de micro finance», Arizaka Rakoto. Isany, hoy izy, ny hoe tsy mivoaka ny firenena ny tombom-barotra fa azo hamokarana indray eo ihany. Mahalala tsara ny filan’ireo mpanjifa amin’izay fotoana izay ireo mpampiasa vola ary afaka mampivoatra ny fomba fiasany amin’izay filana izay na eo anivon’ny mpanjifa io na eo amin’ny resaka vokatra ilain’izy ireo. Traikefa tsaratsara kokoa izay eo amin’ny resaka fifanakalozan’ny tompom-bola, mpiasa, mpanjifa. Ny olon-kafa tsinona raha hampiasa vola eto dia ny tombotsoany aloha no tadiaviny. Raha mitaha amin’ny any ivelany anefa dia hita fa mbola malalaka ny tsena ho an’ny sehatry ny fandraharahana ara-bola eto Madagasikara. Ny tsena anefa no malalaka fa ilay sehatra kosa isan’ny saropady. Maneran-tany io ary ny hilazako azy angamba dia hoe «secteur très règlementaire», izany hoe tsy ny olona rehetra no afaka manao azy. Ho an’itony antsoina hoe «institution de microfinance» na andrim-bola madinika itony izao dia tsy maintsy misy fenitra maromaro arahana ary mila fahazoan-dalana manokana ny fisokafany. Ny banky koa mila manana ny antsoina hoe «licence bancaire». Misy lalàna tsy maintsy arahana toy izany daholo koa na ireny antsoina hoe «bureau de change» sy fiantohana na «assurance» ireny satria ankoatran’ny eto amintsika dia misy koa ny fenitra iraisampirenena. Azo toriana izao ireny mpampanjana-bola ireny, ohatra, satria misehatra amina sehatra tsy nahazoany alalana. Andraikitra iaraha-manana, noho izany, ny fifanomezan-tanana amin’ny fiarovana ny sehatry ny fandraharahana ara-bola. Tsy tokony hifandray ho tahaka ny mpifaninana ny rehetra fa tokony hifanohana satria samy hiara-kigoka ny tombony azo avy amin’ilay izy ihany rehefa miroborobo ilay sehatra. Tsy ny banky samy malagasy ihany fa ny rehetra mihitsy, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Tanterahina nanomboka omaly Alakamisy 21 Septambra haharitra 4 andro eny amin’ny Forello Expo Tanjombato ilay hetsika
Manamafy ny fanarahamaso ny fitsarana ara-bola i Etazonia. Nisy noho izany ny fanoloran’ny vahoaka sy ny