airtel

Toekarena

01-juin-2023

Toekarena

Fifanakalozana ara-barotra eto Afrika Fanamby ny hahatanterahan’ny ZLECAF

Sample post image

Nomarihina omaly teny amin’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny ny Andron’I Afrika, izay nampifanarahana amin’ny faha-60 taona nananganana

01-juin-2023

ny UA (Union Africaine) izay OUA (Organisation de l’Unité Africaine) no niaingainy, nijoro tamin’ny 25 mey 1963. Nitarika ny fihaonana ny Minisitry ny raharaham-bahiny Malagasy, ary nandray anjara ny solontenan’ny Firenena Afrikanina maro nahitana ireo masoivoho notarihin’ny Solontenan’ny Filohan’ny Vondrona Afrikanina, dia ny Ambasadaoron’I Comores. Fanamby goavana ara-toekarena ary niombonan’ny mpandray anjara rehetra ny fametrahana ilay ZLECAF (Zone de Libre Échange Continentale Africaine). Efa tany amin’ny taona 2012 moa no nikotrehana an’io, saingy tsy mbola mety tanteraka hatramin’izao. Tanjona ao anatin’io ny hanambatra ho iray ireo tsena fifanakalozana ara-barotra misy eto Afrika, dia ny COMESA (Marché Commun de l’Afrique orientale et australe, CAE (Marché de la Communauté de l’Afrique de l’Est), SADC (Communauté de Développement de l’Afrique Australe), CEEAC (Communauté économique des États de l’Afrique Centrale), CEDEAO (Communauté économique des États de l’Afrique de l’Ouest ), ary ny « Union du Maghreb arabe et la Communauté des États Sahelo-Sahariens » moa io. Firenena 54/55 no efa nanasonia an’io ka anisany i Madagasikara, saingy mbola nisy 9 tsy nanamafy ny fanekeny, ka ao anatin’io ihany koa isika. Voalaza moa fa hampiakatra 9% ny vola miditra ao anatin’ny faritra izay manome 571 tapitrisa dolara io, ary hiteraka asa vaovao ho an’ny olona 18 tapitrisa tapitrisa. Ara-politika, niantso ny hisian’ny fifidianana madio sy milamina ary handraisan’ny rehetra anjara eto Madagasikara ny Vondrona Afrikanina.
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-sept-2023

Tanterahina nanomboka omaly Alakamisy 21 Septambra haharitra 4 andro eny amin’ny Forello Expo Tanjombato ilay hetsika

Card image cap
22-sept-2023

Manamafy ny fanarahamaso ny fitsarana ara-bola i Etazonia. Nisy noho izany ny fanoloran’ny vahoaka sy ny

Card image cap