airtel

Toekarena

26-avril-2023

Toekarena

Fifandraisana ara-barotra sy ara-toekarena

Sample post image

Hanamafy ny fiaraha-miasa ny Italianina

26-avril-2023

Nisy ny fihaonana teo amin’ny Masoivoho Italianina miantsoroka an’i Madagasikara izay monina any Pretoria Afrika Atsimo Atoa Cuculi Paolo sy ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny Fanjifana Edgard Razafindravahy, nandresena lahatra ny hisian’ny fiaraha-miasa ara-barotra matotra amin’i Italia sy Madagasikara amin’ireo vokatra ahafantarana antsika. “Tsy ny lavanila ihany satria manana vokatra miavaka sy ambony kalitao betsaka toy ny kakao tsara, dipoavatra mena, dipoavatra, jirofo na letisia izahay”, hoy io Minisitra Malagasy io raha nandray ity diplaomaty Italianina ity tetsy Ambohidahy. Mirona kokoa amin’ny fifampivarotana mivantana amin’ireo tantsaha mpamokatra ny Minisitra misahana ny Varotra. Manana andraikitra lehibe amin’izany ny Antenimieran’ny Varotra (CCI) amin’ny fampifandraisana ny mpamokatra, fikambanan’ny mpamokatra sy ireo mpividy. Nampanantena ity masoivoho vahiny ity fa hampahafantatra ireo vokatra mampalaza an’i Madagasikara amin’ny hetsika « Herinandron’ny nahandro italiana maneran-tany ». Nanolo-kevitra koa ity diplomaty ity ny hidiran’i Madagasikara sy ny mpandraharahany anatin’ny vovonana ara-toekarena italiana (Plateforme économique italienne) iray vaovao ahitana ireo orinasa sy vokatra manerana an’izao tontolo izao, afaka mampifandray ny mpivarotra sy ny mpividy. Fantatra amin’ny hatsaran’ireo milina indostrialy avy any aminy koa moa i Italia. Izany indrindra no nahatonga ny Minisitra Edgard Razafindravahy naneho ny fahavononany hiara-hiasa hanatanterahana ny Tetikasa ODOF (One district one factory), hoy ny fampitam-baovao. Anatin’ny filan’i Madagasikara ireo milina madinika azon’ny kaoperativa anodinana ny vokatry ny fambolena. Tanjona, hoy ny Minisitra, ny hampitaovana ireo kaominina sy distrika ahafahany mampitombo sanda ny vokatra eo an-toerana.

Nanamafy moa io diplaomaty io, fa maniry ny hisian’ny dingana lehibe hanamafisana ny firahalahiana ara-tantara sy ara-kolontsaina eo amin’ny tany roa tonta. Isan’ny noresahany ny lazan’i Madagasikara amin’ny fahasintonana mpizahatany, ka taorian’ny covid-19, raha ny tamin’ny taon-dasa, dia nahatratra 30 000 ireo Italianina tonga teto, ary heverina hahatratra 70 000 amin’ity taona ity.
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

1400 miliara Ariary eo, ankoatran’izay efa nampidirina anaty kitapom-bolam-panjakana, ny hetra tsy tafiditra,

Card image cap
18-avril-2024

Niresaka tamin’ny sehatra tsy miankina foana ny fitantanana ankapoben’ny hetra na DGI,

Card image cap