ka nitarika izany ny Filoha Andry Rajoelina. Nambara fa naovana jery todika ireo seha-piaraha-miasa sy fanatsarana ary fanamafisana ny fiaraha-miasa amin'ireto mpiara-miombon'antoka teknika sy ara-bola iraisam-pirenena ireto moa no antom-pisian'izao fivoriana izao. Nanao ny ezaka rehetra hanamafy ny fametrahana ny Fitondram-panjakana manakaiky vahoaka ny fitondrana tao anatin’izay 4 taona sy tapany izay, raha ny nambaran’I Andry Rajoelina. Hita taratra izany, hoy izy, amin'ireo fotodrafitrasa fototra maro napetraka manerana ny Nosy toy ireo efitrano fianarana maherin'ny 4000 nahafahana nampianatra ankizy 200 000, ireo oniversite miisa 15satria 80 000 isan-taona no afaka bakalorea saingy 30 000 no afaka manohy amin’ny ambaratonga ambony, ireo CSB2 miisa 104, ireo hopitaly manara-penitra miisa 28 ka ny 13 amin'izy ireo no efa ho am-perinasa tsy ho ela. Eo ihany koa ny fananganana ireo Lapan’ny Fitsarana ambaratonga voalohany sy ireo "Bases Opérationnelles" ho fametrahana ny fandriampahalemana maharitra. Nolazain’ny Fanjakana fa nanamafy ny fanohanana ireo tetikasa ho fampandrosana an'i Madagasikara ireo mpiara-miombon’antoka ary hanohana hatrany ny ezaka ataon'ny Fitondram-panjakana. Noresahana nandritra izao fihaonana izao ihany koa ny fametrahana ilay "basket fund" na ny fanohanan'ireo mpiara-miombon’antoka ny fanantanterahana ny fifidianana amin'ity taona 2023 ity. Mitanisa ireo heveriny fa teboka miabo amin’ny fitondrany I Andry Rajoelina sy ny ekipany, saingy rehefa tarafina amin’ny toekarena sy ny sosialy, dia tena potika tanteraka ny firenena. Ekena fa tena ilaina ireo zavatra natsangana, saingy tsy fotodrafitrasa fotsiny no antsoina hoe: fitondrana firenena sy fampandrosoana fa mila mirozatra ny zava-drehetra, mila jerena ny fototrafitr’olona satria ny olona no harena voalohany. Lasa haingo ambony tsikoko raha handany vola amin’ny zavatra mamirapiratra sy mijoalajoala kanefa ny fari-piainan’ny vahoaka miha mitontongana andro aman’alina, ny fihariana miha mikoroso fahana, ny tsy fananan’asa miha mitombo, ny tahan’ny fahantrana miakatra hatrany hatrany satria efa manodidina ny 10% ny fiakaran’ny tahan’ny Malagasy niha fadiranovana tato anatin’ny 5 taona.
Toky R