airtel

Toekarena

28-févr-2024

Fikarakarana taratasy

Nohamaivanina ny fahafahan’ny vahiny miasa eto

Sample post image

Naaton’ny fanjakana ny fandefasana Malagasy maniry hiasa amina firenena

28-févr-2024

vitsivitsy any ivelany hoy ny Minisitry ny Asa sy ny Asam-panjakana ary ny Lalàna sosialy, Ramatoa Hanitra Fitiavana Razakaboana androany. Tsy intsony mantsy raha ny fanazavany ny tena toerana handehanana sy hivantanan’ireo Malagasy, izay matetika mampiasa “visa de tourisme” fa tsy mampiasa “visa de travail”. 15 andro kosa no fe-potoana hanatanterahan’ny komity manokana eo anivon’ny Minisitera ny fanadihadiana sy ny fikirakirana ny antontan-taratasy raha mazava tsara ny fifanarahana arak’asa an’ilay Malagasy maniry ny hiasa any ivelany. Ao anatin’izay fikarikarana antontan-taratasy ho an’ny mpiasa izay hatrany anefa dia mifanohitra tanteraka aminy zavatra iainan’ny Malagasy ny fahafahan’ny vahiny miasa eto amintsika satria nohamaivanin’ny fanjakana amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Asa sy ny Asam-panjakana ary ny Lalàna sosialy miaraka amin’ny “Economic Development Board Madagascar” na EDBM ny fahafahan’ireo vahiny maniry ny hiasa eto manao fangatahana “permis de travail”. Raha telo herinandro mantsy ny fikirakirana ny fangatahana teo aloha dia ho vita ao anatin’ny herinandro izany amin’ny alalan’ny fampiasana ny vovonana “e-work”, izay nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy androany tetsy amin’ny Colbert Antaninarenina. 2.200 isan-taona eo ireo “permis de travail” omen’ny Minisitera ny vahiny hiasa eto amintsika amin’ny alalan’ny “guichet unique” an’ny EDBM. 20 isan-jato ny totalin’isan’ny mpiasa miasa ao anatin’ny orinasa iray eto Madagasikara kosa no tokony ho mpiasa vahiny.
Lalaina Rav
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Mila fantatra mazava ary "à jours" na mivoatra isan’andro ny isan’io vola volamena 50 Ariary

Card image cap