airtel

Toekarena

11-nov-2021

Toekarena

Fikarohana làlam-bola Miantso vonjy amin’ny « Rothschild & Co» ny Fanjakana

Sample post image

Notaterina tao anatin’ny akon’ny filankevitry ny Minisitra omaly 10 novambra 2021, fa nankatoavina ny fisafidianana ny Kabinetra « Rothschild & Co» ho "Conseiller financier" an'ny Repoblikan'i Madagasikara.

11-nov-2021

 Ny "Rothschild & Co" dia vondrona iraisam-pirenena mahaleo tena sy matihanina manokana amin'ny toro-hevitra amin'ny Fanjakana sy ny orinasam-panjakana eo amin'ny fitantanam-bola. Araka izany, amin'ny maha-mpanolo-tsaina an'i Madagasikara azy manomboka izao, "Rothschild & Co" dia manolotra avy hatrany ireto asa manaraka ireto: Fiomanana amin’ny fidiran’i Madagasikara ao anatin ny tsenam-bola fanatsarana ny "indicateurs de compétitivité" an’i Madagasikara ; Famatsiam-bola indray ny rafitry ny renivolan’i Air Madagascar sy itadiavana mpampiasa vola vaovao, amin’ny alalan ny fonds propres sy/na trosa fitadiavana famatsiam-bola ho an’ireo tetikasa laharam-pahamehana ao anatin’ny drafitra fampandrosoana an’i Madagasikara na PEM, hoy ny tatitra. Dimy ambin'ny folo (15) volana azo havaozina ary manan-kery manomboka ny 15 Novambra 2021 hatramin'ny 15 Febroary 2023 ny fotoam-piasana miaraka amin’i Madagasikara natolotr’ity kabinetra ity. Nambara, fa maherin’ny 30 ireo governemanta sy orinasam-panjakana maneran-tany no omeny torohevitra. Miara-miasa amin’ny firenena maro mitovy amin’i Madagasikara toy an’i Côte d’Ivoire, Bénin ary Niger indrindra amin’ny aty amin’ny aty Afrika izy, hoy ny Fanjakana Malagasy. Ny traikefa ananany dia tena ilaina amin'ny famaritana ny paikady ara-bola mety no an’i Madagasikara amin’ny fanohanana azy amin’ireo dingana rehetra amin’ny fifampiraharanana ara-bola. Afaka mangataka amin’ny “Rothschild & Co» amin’ny sehatra hafa toy ny famaritana ny rafitra "macro-fiscal, ny fanomanana ny drafi-pampandrosoana nasionaly, ny toro-hevitra mampandroso amin’ny filaharana "Ease of doing Business sy ny OECD (Organisation for Economic Co-operation and Development),... Tsiahivina fa any amin’ny laharana faha-161 amin’ny firenena 180 eo isika amin’ny “Doing Business”, saingy efa naaton’ny ny Banky Iraisam-pirenena moa io mason-tsivana io noho ny ahiahy nanomezana vahana an’I Chine. Rehefa dinihina, toa misy endrika fihaikena fa tsy nahomby ny paikady nentina hatramin’izay. Tsy arakaraka ny vava natao tany amin’ny Propagandy fa efa vonona ny vola fa ny fahatongavana eo no ela. Ankehitriny anefa, toa karazan’ny vao mieritreritra hiala eo amin’ny fiaingana. Miantso vonjy amin’ny fitadiavana mpiara-miombon’antoka ara-bola, mitady hevitra hoe: izay no mety hanokatra ny làlantsika amin’ny fikarohana mpiara-miombon’antoka sy mpamatsy na mpampiasa vola.

Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

miainga any amin’ny fanisana na «comptabilité» ny fanatsarana ny fampidiran-ketra,

Card image cap