airtel

Toekarena

13-mai-2025

Fikirizana amin’ny tetikasa Base Toliara

«Azo raisina hiasa ao daholo ve ny olona?»

Sample post image

Asa inona no omenareo ny vezo manontolo hatramin’ny zanak’i Toliara any

13-mai-2025

avaratra any amin’ny fikirizana amin’ity tetikasa Base Toliara ity, hoy ny solontenan’ireo raiamandreny manohitra ity tetikasa ao Toliara ity omaly? Azo raisina hiasa ao daholo ve ny olona, hoy izy ireo? Tsotra no ambaranay fa aza mifamitaka. Tsy mety aminay Base Toliara. Manaja anao amin’ny maha filoham-pirenena anao izahay andriamatoa Andry Rajoelina fa mba hajao koa izahay vahoakanao! Betsaka ny azo atao. Sokafy ny Somatex. Amboary ny ozinina fanaovana simenitra! Tanisaina foana ny hoe misy izao miliara Dolara ao nefa izahay maty mosary! Raha nampanarahan-dalàna amin’ny fihariany dia ny fambolena ny masikoro sy vezo, efa nandroso i Toliara, hoy hatrany izy ireo.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

02-juin-2025

Vokatry ny tetibola tsy nahitsin’ireo depiote izany dia iny niakatra iny koa ny vidin’ny entona fandrehitra na «gaz»

Card image cap