Tsy andrasana fotoam-pahavaratra, hoy izy, vao hanao asa maika. Desambra hatramin’ny janoary io no tokony atao. Tsy volam-panjakana ny “Fond d’entretien routier” na FER teo aloha fa volan’ny mpitatitra mampiasa ny lalana ka nanomboka tamin’ny fotoana nitsabahan’ny fanjakana ny fitantanana ny FER no mahatonga ny fahataran’ny fandoavana ny faktioran’ny orinasa mpanao lalana. Ny fanafody voalohany izany dia ny famerenan’ny fanjakana io vola notazoniny ao amin’ny tahirim-bolam-panjakana io ho tantanan’ny FER araka ny lalàna. Lasa FR na “Fond routier” ilay izy izao satria tian-drizareo hitarina ny fampiasana io vola io ho ankoatran’ny resaka fikojakojana ny lalana. Notsipihina fotsiny izany ilay hoe “entretien” mba hahafahana manodinkodina ilay vola ao anatiny ao amin’ny alalan’ny fehezan-dalàna na “texte”. Hita izao ny vokatra fa nahomby kokoa ny FER raha mihoatra amin’ny FR. Ny FR izany izao no akana rehefa hoe misy elanelany ny vidiny tena izy sy ny eny an-tsena, ohatra, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Tsy vaovao intsony fa efa fiainana andavanandro ny fahatapahan-jiro lava eto Madagasikara. Olana mandavan-taona, ary zavatra maro no potika noho ny delestazy fa isan’ny vokany miharihary ny fahapotehana ara-toekarena
Nanomboka omaly 1 jona 2023 dia lasa 0 Ariary ny saran’ny fifanakalozam-bola eo anivon’ireo banky sy ny MVola na
Hankalaza ny fetin’ny Reny isika afaka rahampitso alahady 04 jona. Ankoatra ny fitondrana am-bavaka azy ireny…dia tsy latsa-danja amin’izany ny fanolorana fanomezana na mofomamy ho an’i Neny
Nomarihina omaly teny amin’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny ny Andron’I Afrika, izay nampifanarahana amin’ny faha-60 taona nananganana