telo andro taorian’ny fianianan’ny Governora vaovao Atoa Aivo Handritiana Andrianarivelo izay natao ny 4 febroary lasa teo. Isan’ny fanapahan-kevitra noraisina tao anatin’izany ny taorian’ny fandinihana ny zava-misy ara-toekarena eto an-toerana sy iraisam-pirenena no nanapahan’ny BFM fa, tazonina ho 8,10% ny “taux des facilities de depot” na ny tahan’ny zana-bola, izay ireo banky ara-barotra sy banky ara-bola tsotra moa no tena mpametraka vola ao amin’ny ankampobeny. 10,10% kosa ny “taux des faciliés de prêt marginal” na ny zana-bola amin’ny findramam-bola. Andrasana kosa ny politika ara-bola hoentin’ny BFM eo anatrehan’ny fiantraikan’ny sondro-bidim-piainana, ka ny volana manaraka eo dia hatokana ho fotoana hanaraha-maso sy hijerena akaiky izany. Etsy andaniny, na misy aza io fitazonan’ny BFM ny taha amin’ny fampindramana na fametrahana vola ao aminy io, dia efa naneho ny ahiahiny kosa ireo banky ara-barotra sy banky ara-bola izay naneho fa ambony loatra ny taha amin’ny findramam-bola amin’ny Banky BFM ary nanamarika fa tsy nitsaha-niakatra ny taha alaina amin’ny findramam-bola na ao anatin’ny 24 ora aza. 7,2% io ny novambra 2021 no niakatra 8,9% ny aogositra 2022 ary io 10,10% io ankehitriny izay nanomboka ny oktobra 2022. Io no heverina fa isan’ny mampidanana ny tahan’ny zana-bola amin’ny findramam-bola amin’ireo banky eto amintsika izay tafiakatra hatrany amin’ny 15 hatramin’ny 18%, raha toa ka manodidina ny 5% ny any amin’ny firenen-kafa, kanefa ny zana-bola amin’ny fametraham-bola ambany kokoa. Efa tsy azo hanoharana noho izany vao miditra amin’ny findramam-bola ny mpanjifa sy ny mpandraharaha ara-toekerana samihafa.
Toky R
Tsy vaovao intsony fa efa fiainana andavanandro ny fahatapahan-jiro lava eto Madagasikara. Olana mandavan-taona, ary zavatra maro no potika noho ny delestazy fa isan’ny vokany miharihary ny fahapotehana ara-toekarena
Nanomboka omaly 1 jona 2023 dia lasa 0 Ariary ny saran’ny fifanakalozam-bola eo anivon’ireo banky sy ny MVola na
Hankalaza ny fetin’ny Reny isika afaka rahampitso alahady 04 jona. Ankoatra ny fitondrana am-bavaka azy ireny…dia tsy latsa-danja amin’izany ny fanolorana fanomezana na mofomamy ho an’i Neny
Nomarihina omaly teny amin’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny ny Andron’I Afrika, izay nampifanarahana amin’ny faha-60 taona nananganana