I Madagasikara avokoa no mitazona ny 27% ny tsenan’ny jirofo ary nahatratra 40.000 taonina ny vokatra jirofo naondrantsika nandritry ny taom-panondranana 2022 izay nampiditra vola mitentina 224,7 tapitrisa dolara, hoy ny fanazavana. Manana mpamokatra maherin’ny 18.000 isa sy velaran-tany voavoly mirefy 70.000 hektara isika izay miparitaka amin’iny ilany avaratra hatrany atsimo iny. Ny 90%n’ny vokatra dia avy any Analanjirofo avokoa. Miondrana mankany Inde, Indonezia, Singapour ny vokatra jirofo vokarin’i Madagasikara ary ampiasain’ireo indostria mpamokatra fanafody hanatsarany ny sehatry ny fahasalamana, havadika ho lohamenaka na « huiles essentielles » na avadika vovoka izany, araka ny voalazan’ny EDBM hatrany.
J. Mirija