airtel

Toekarena

05-déc-2022

Toekarena

Firoboroboan’ny indostria aty Afrika Tsy hita tabilao amin’ireo 20 voalohany i Madagasikara

Sample post image

Namoaka ny tatitra voalohany mikasika ny fandalinany ny firoborobon’ny Indostria amin’ireo firenena Afrikanina ny Banky Afrikanina momba ny fampandrosoana na ny BAD.

05-déc-2022

Fanadihadiana sy fandalinana nolaroina an’ireo tondro miisa 19 samihafa, toy ny tombony ambony apanga na « valeur ajouté » entin’ny orinasa indostrialy iray mitaha amin’ny isan’ny mpinina, ny antsoina hoe « crédit intérieur du secteur privé » izany hoe : ny vola entin’ny sehatra tsy miankina mitaha amin’ny harin-karena, ny faharetan’ny ankizy any an-tsekoly, ny tondro momba ny kolikoly,… Ao anatin’io filaharana io izay notaterin’ny SIKA Finance no mamaritra mazava ireo firenena tena miroborobo amin’ny indostria aty Afrika (Classement des pays les plus industrialisés en Afrique), dia milaza fa lohalaharana i Afrika Atsimo, arahin’i Maroc, Egypte, Tunisie, Maurice, Eswatini, Sénégal, Nigeria, Kenya, Namibie. Ireo no folo voalohany, ary faha-11 kosa i Algérie, arahin’i Gabon, Côte d’Ivoire, Ghana, Guinée Equatoriale, RD Congo, Botswana, Bénin, Zambie, Ouganda, ary faha-21 I Tanzanie. Aiza ho aiza amin’izany i Madagasikara ? Ny volana aogisitra 2022 teo anefa, nandeha nakany Vienne Autriche ny Filoha Rajoelina, nosorana ho tompondakan’ny fampiroboroboana ny Indostria,… Nanaovana serasera manaka-danitra, nentina nandokafan-tena, namoahana antontan’isa mihitsa aza fa dia nahaforona indostria miisa 107 teo angamba izy izay. Mason-tsivana sy fanadihadiana ara-tsiantifika tahaka ny ahoana no nentina namaritana fa dia ny Fanjakana Rajoelina no tena tompony sy fitaratra amin’ny resaka indostria ? Rehefa tena zohiana, toa zavatra namboamboarina ary voalaza tamin’izany fa dia olona akaiky ny mpitondra ihany no toa nanao ny kajikajy. Raha tena nitombina ilay hoe tompondakan’ny indostria, tokony mba ho hita taratra tany amin’ny toekarena, famoronan’asa,… Vao ny herinandro lasa teo anefa no namoaka tatitry ny fanadihadiany ny Afrobaromètre fa Malagasy 70% amin’ny Malagasy no naneho fa mizotra makany amin’ny ratsy kokoa ny toekarem-pirenena raha ny tao anatin’ny 12 volana no jerena. Naneho ny ankamaroan’ny Malagasy fa tsy afa-po tamin’ny asa sy andraikitra raisin’ny governemanta: 94% tsy afa-po amin’ny fitantanana ny krizy sy ny fifehezana ny vidin-javatra; 70% tsy afa-po amin’ny fitantanana ny toekarena; 76% tsy afa-po amin’ny famoronana asa,… Rehefa zohiana, ampangain’ny zava-misy hatrany ny Fitondrana Rajoelina, miezaka milalao serasera, ary toa mamahan-dalitra vahoaka mihitsy aza,… saingy mitsikafona foana ny tena marina. Asa mby aiza izao ilay orinasa mpamokatra fiara gasycar ? Mpamokatra simenitra?
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nifanakalo traikefa tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny any Maroc ny ekipan’ny ODOF.

Card image cap
23-avril-2024

Mbola mitohy ny fisoratana anarana amin’ny loka Pierre Castel. Hifarana ny 24 aprily ho avy izao ny andiany amin’ity 2024 ity.

Card image cap