airtel

Toekarena

24-mai-2023

Toekarena

Fisintonana mpizahatany 1 tapitrisa no tanjona hatramin’ny 2028

Sample post image

Mpizahantany 50 447 no efa tonga teto Madagasikara tao anatin’ny 4 volana voalohan’ity taona 2023 ity raha ny tatitry ny Minisiteran’ny fizahantany.

24-mai-2023

Niakatra 78% mitaha ny tamin’ny taon-dasa tao anatin’ny vanim-potoana mitovy. Ho an’ny volana aprily dia nahatratra 18 657, raha toa ka 12 442 ho an’ny volana martsa. Na nisy aza anefa ny fiakarana, dia mbola ambanin’ny isa taloan’ny nidiran’ny coronavirus satria ho an’ny taona 2019 tao anatin’ny 4 volana voalohany, dia nahatratra 65 065, raha ny antontan’isan’ny Minisiteran’ny hatrany. Tanjona ny hanatratra mpizahatany 1 tapitrisa ho an’I Madagasikara hatramin’ny 2028, ka paikady maro no nambara fa hapetraky ny fitondram-panjakana. Mandritra ny hetsika "salon ITM" na “Salon international du tourisme” andiany faha-9 hatao ny 15-18 jona 2023 etsy amin'ny CCI Ivato dia hisy ny fampahafantarana an'i Madagasikara eo anivon'izao tontolo izao amin'ny alalan'ny Ofisy nasionaly misahana ny fizaantany na ONTM. 150 000 ny mpitsidika andrasana amin'ity hetsika ity, raha teo eo amin'ny 12 000 sy 13 000 tamin'ny 2019. Mpandraharaha matihanina eo amin'ny sehatry ny fizahantany avy any ivelany miisa 100 no tanjon'ny ministeran'ny Fizahantany sy ny (ONTM) ho tonga eto amin'ity taona ity, raha 70 izy ireo tamin'ny taona lasa, hoy ny minisitra Randriamandrato Joël omaly. 70 no efa nisoratra anarana , ary 100 mahery no naka fanampim-baovao. Anisan'ny antoka lehibe ny fahatongavan'izy ireo satria ireo no mivarotra ny "destination Madagascar" izy ireo, hoy hatrany ny fanamafisana. "Manantena isika fa ny fahatongavan'izy ireo dia ahitana vokatra amin'ity taona ity sy ny taona hoavy" hoy hatrany ny minisitra. Ao anatin'ny paikady ihany koa ny fampitomboana ny kaompaniam-pitanterana an'abakabaka. Ho ampitomboina ihany koa ny toerana fandraisam-bahiny, ary hisy paikady napetraka hisintomana ireo mpampiasa vola eo amin'ny sehatry ny fizahantany, hoy hatrany ny fampanantenana. Toerana isan’ny manan-karena ara-pizahantany I Madagasikara ary tsy mila manafatra biby tsy fahita eto araka ilay fampanantenan’ny Filoham-pirenena dia tonga ny olona, fa ny ezaka fanatsarana ny tolotra, fandriampahalemana, fandriampahalemana, làlana,… no mila hatsaraina.
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

1400 miliara Ariary eo, ankoatran’izay efa nampidirina anaty kitapom-bolam-panjakana, ny hetra tsy tafiditra,

Card image cap
18-avril-2024

Niresaka tamin’ny sehatra tsy miankina foana ny fitantanana ankapoben’ny hetra na DGI,

Card image cap