mitentina 660 tapitrisa dolara eo. Azo lazaina milamina ao anatin’ny 3 taona manaraka raha ny resaka famatsiam-bola, hoy ny Minisitry ny toekarena sy ny vola. Natao ho an’ny firenena miatrika olana maharitra ny FEC, ka matetika mifanaraka amin’ny fandraisan’anjaran’i Madagasikara any amin’ny FMI, saingy nihoatra kely ny antsika ka 105%, raha ny fanazavana. Rehefa raisina amin’io, dia azo ambara ho firenena tena vizana sy mila tohana fitserana bebe kokoa. Hizara 7 ny famatsiam-bolan’ny FEC 337 tapitrisa dolara, ka ny voalohany efa azo ny 21 jona, hiditra ao anatin’ny kitapombolam-panjakana. Henjana anefa ny fepetra satria hisy ny fitsidihana isaky ny 6 volana ataon’ny FMI. Ho an’ny FRD kosa dia isaky ny fanavaozana na « reforme » iray notadiavin’ny FMI no mivoaka ny vola, toy ny resaka fampiakarana ny hetra alaina amin’ny solika, ny fangaraharahana amin’ny fampiasam-bola amin’ny tontolo iainana,... Misy andry lehibe 4 mila tratrarina dia: fanamarinan-toerana ny tetibolam-panjakana ; fitantanana mahomby; fahamarinan-toerana ara-bola ; fandrosoana ara-toekarena sy fiarovana ara-tsosialy ny vahoaka. Lafin-javatra 5 no harahin’ny FMI isaky ny 6 volana ho an’ny FEC, ary misy pitsopitsony 11. Fanatsarana ny fampidiran-ketra eto Madagasikara, ka jerena amin’izany ny fivoarana eo amin’ny Sampan-draharahan’ny hetra sy ny fadin-tseranana izay tsy maintsy handefa tatitra amin’ny FMI. Fanenana ny zavatra manelingelina rehetra ny tetibolam-panjakana : jerena ny Jirama izay tsy maintsy handefa tatitra isam-bolana amin’ny FMI, famoahan’ny Jirama ampahibemaso ny fifanarahana rehetra nosoniaviny, fandefasana ny drafi-panarenana ny Jirama mialohan’ny novambra 2024. Fanamafisana ny rafitra sy ny fitantanana miantsoroka ny lafiny ara-bola : fanaovan’ny Minisitera rehetra drafitra hampiasany ny vola eo am-pelantanany mandritra ny taona. Famoahana ny lalàna vaovao momba ny fitantanam-bola izay tokony havoaka hatramin’ny mey 2025. Tokony hametraka paikady vaovao ho an’ny ady amin’ny kolikoly ho an’ny 10 taona manaraka (2025-2035) izay andrasany hatramin’ny janoary 2025. Fanamafisana ny fahamarinan-toeran’ny vola Malagasy, ka tafiditra ao anatin’io ny lalàna vaovao hahafahana mametraka famaharinan-toerana ara-bola. Fampiroboroboana ny fiarovana ny ara-tsosialin’ny vahoaka : fametrahana banky ara-tsakafo 10 alohan’ny oktobra 2024 izay nambara fa efa mipetraka ny 10, fanitarana ny rejisitra sosialy rehefa manao fanohanana ara-bola izay hitarina ho an’ny tokantrano 600 000. Rehefa zohiana, tena henjana ny fepetra hahazoana ny tohana fitserana ho an’i Madagasikara, ary ny FMI mihitsy no manery an’i Madagasikara hizotra makany amin’ny Fanjakana tsara tantana na « bonne gouvernance », ny ady amin’ny kolikoly,… satria mahita tsara ny zava-misy eto. Rehefa zohiana dia ny FMI mihitsy no manome ny sori-dàlana hitondrana ny Firenena noho ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana. Ny firenena hafa mahita famatsiam-bola amina miliara dolara isan-taona fa ny antsika miandrandra 660 tapitrisa dolara mitsitaitaika ao anatin’ny 3 taona,…
Toky R
Notokanana tamin’ny fomba ofisialy omaly teny Soarano ny toeram-piasana vaovao