airtel

Toekarena

23-mai-2023

Toekarena

Fisitrahana ny FEC 32 tapitrisa dolara Fehezo ny Jirama, ahitsio ny vidin-tsolika, reseo ny kolikoly

Sample post image

24,44 tapitrisa DTS na 32 tapitrisa dolara eo no ho azon’I Madagasikara ao anatin’ny FEC (Facilité Elargie de Crédit)

23-mai-2023

avy amin’ny Tahirimbola iraisam-pirenena na FMI mba handrakofana ny filàna famatsiam-bola avy any ivelany sy ny filàna ara-bola amin’ny alalan’ny FEC andiany faha-4. Any amin’ny volana jona any no tombanana hivoahany, taorian’ny iraka sy dinika nataon’ireo solontenan’ny FMI notarihin’Atoa Frédéric Lambert teto ny 3-13 mey. Ny fifanarahana ao anatin’ny 40 volana izay tohanan’ny FEC dia nambara fa hanohanana an’I Madagasikara taorian’ny valanaretina ary natokana ho an’ny fampiasam-bola mba hitsinjovana ny fandaniana tena laharam-pahamehana. Mifandraika amin’ny tan-tsoroka mba hanampiana ny mpitondra amin’ny ezaka hanamafy ny fahamarinan-toeran’ny toekarena sy hampihenana ny fahantrana ihany koa. Misy anefa ny fepetra ka mametraka ho isan’ny laharam-pahamehana ny FMI amin’ny raharaha Jirama, izay mila hatsaraina ny tolotra, kanefa mila fehezina ihany koa ny volam-panjakana atontona ao aminy. Tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny rafi-panintsiana tokony handeha ho azy amin’ny vidin-tsolika, izay heverina hampiharina manomboka ny telo volana voalohan’ny taona 2024. Ny FMI izay hatry ny ela no mametraka fepetra amin’ny fampihenana tsikelikely sy hanafoanana mihitsy aza ny tohana ara-bola ho an’ny orinasam-panjakana sy amin’ny vidin-tsolika fa mila ampiharina ny vidiny tena izy na “vérité de prix”. Nambara ihany koa fa mila miezaka amin’ny paikady hiadiana amin’nyy kolikoly ny Fanjakana, ary mila manamafy ny fanaraha-maso amin’ny alalan’ny politika mahomby manoloana ny zava-misy. Ireo no isan’ny nivoitra tao anatin’ny fifanarahana mikasika ny fisitrahan’I Madagasikara ny FEC, taorian’ny dinika teo amin’ny mpitondra sy ny iraky ny FMI. Tsara hatrany ny mampahatsiahy, fa fanampiana ireo firenena mahantra fadiranovana ny làlan-tsaina nitondrana ny FEC izay Initiative PPTE (Pays Pauvres très Endettés) no niaingany tany amin’ny taona 1996, ka ny FMI sy ny Banky Iraisam-pirenena no tompon-kevitra. Noho ny voambolana nampiasaina somary mahery vaika, dia niova taty aoriana. Midika fa mila ezaka goavana I Madagasikara mba hialana ao anatin’io fanasokajiana io, ary tsy azo ireharehana ity FEC ity, fa tena fitserana ara-bakiteny.
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Nahazo ny anjarany tamin’ny milina ODOF ihany koa ny Kaominina Ambohimangakely,

Card image cap