airtel

Toekarena

18-avril-2024

Fitantanana ankapoben’ny hetra

«Sahirana ireo orinasam-panjakana lehibe»

Sample post image

1400 miliara Ariary eo, ankoatran’izay efa nampidirina anaty kitapom-bolam-panjakana, ny hetra tsy tafiditra,

18-avril-2024

hoy ny tale jeneraly misahana ny hetra na DGI eto Madagasikara, Germain, nandritry ny atrikasam-pirenena momba ny hetra teny amin’ny CCI Ivato omaly. Ana orisam-panjakana lehibe tena sahirana ny 25 hatramin’ny 40%n’izay, hoy izy, izay tsy naha voaloa hetra nandritry ny taona maro. Sahirana ireo orinasam-panjakana lehibe. Fantantsika tsara izany. Ny fanjakana ihany aza amin’izao fotoana izao no manome famatsiana na «subvention» ho azy ireo. Sarotra ny ampidiran-ketra amin’ireo izao ka tsy maintsy hijerena paikady manokana. Misy orinasa tsy miankina sasantsasany koa tafiditra ao anatin’izany tsy fahefan-ketra izany. Misokatra amin’ny fifampiresahana izahay. Tsy ny hanahirana ireo orinasa akory no tanjona. Nisy na izany aza ny fiakaran’ny tahan’ny hetra tafiditra noho ny ezaka nanomboka ny taona 2019. Nisy paikady napetraka nandritra izay 5 taona izay ary tena nitondra voka-dehibe ny fametrahana ireny rindram-baiko sy fitaovana nomerika na «digitalisation» rehetra ireny. Any amin’ny 26% any ny tahan’ny fiakaran’ny fidiran-ketra 2023 raha mitaha ny tamin’ny 2022. Miisa 2 dia ny hetra eny anivon’ny fadin-tseranana sy hetra anatiny no mampiditra hetra tamin’ny kitapom-bolam-panjakana. Manodidina ny 4233 miliara Ariary ny hetra nampidirin’ny fitantanana ankapoben’ny hetra na DGI tamin’iny 2023 iny. Miandalana ny fitsirihana ara-ketra atao fa tsy ho araka daholo, hoy hatrany ny DGI.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique