Notanterahana tao amin’ny Primatiora ny fanaovan-tsonia fifanarahana fiaraha-miasa teo amin’ny Primatiora, ny Oniversiten’Antananarivo, ny IMATEP (Ivotoerana Malagasy momba ny Teti-Pivoarana) ary ny ENAM (École Nationale d’Administration de Madagascar), ho fanamafisana ny fiaraha-mientana amin’ny fandrafetana ny Politika Nasionaly momba ny Fampiasam-bolam-panjakana. Tanjona ny hametrahana politika nasionaly izay hanana vina maharitra, fitoniana ary fototra ara-teknika, ka hifantoka amin’ny fampiasam-bola tena mitondra vokatra sy fiantraikany amin’ny fampandrosoana ary amin’ny fiainan’ny Malagasy. Hiaraka hiasa akaiky amin’ny fanombanana ireo politika sy fandaharan’asam-panjakana ny oniversiten’Antananarivo. Hiaraka hiasa amin’ny Primatiora amin’ny fandrafetana ny politika nasionaly momba ny fampiasambolam-panjakana, ary ny IMATEP kosa hiantsoroka ny pitsopitsony teknika rehetra. « Tanjon’i Madagasikara amin’izao fanavaozana izao dia ny fitantanambolam-panjakana izay tsy tena nisy politika sy paikady teo aloha. Nandeha fahoany fahoany, isaky ny mihetsika dia miantso mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika (PTF), fa rehefa voaray dia tsy misy zavatra miova firy eto fa teo ihany no teo, tsy manan-tsafidy fa izay politikan’ny mpiara-miombon’antoka ny arahantsika, fa tsy mazava ny lalana tena tiantsika hizorana,… », hoy ny Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison. Napetraka noho izany ny « Direction Générale des Investissement public », ka ny tanjona dia mba hazava ny politikam-panjakana ankampobeny ho an’ny fanavaozana, misy ilay drafitr’asa fanatanterahana, mba hahazoana vokatra haingana sy maharitra kokoa. Nosafidiana ireo ivon-toeram-pampiofanana satria mamolavola ny mpiasam-panjakana mikirakira ny volam-panjakana, ny oniversite izay misy ny tanora kitro ifaharan’ny fampandrosoana, mba hampifandraisana bebe kokoa ny tontolon’ny fianarana sy ny sehatry ny asa ary hampandraisana anjara ny fahaiza-manao eto an-toerana.,… Araka ny fanampim-panazavan-dRabemananjara Murielle Tale Jeneralin’ny fampiasambolam-panjakana eo anivon’ny Primatiora, ivony telo lehibe noho izany no ifantohana: fametrahana ny politika nasionaly momba ny fampiasambolam-panjakana, famerenana indray ny rafitra nasionaly mikasika ny fanombanana ireo politika sy programan’asam-panjakana, fametrahana « plateforme nationale de gestion de connaissance ». Nisokatra nanomboka omaly 08 septambra 2026 noho izany fiantsoana fahalianana (appel à manifestation d’intérêt) ho an’ireo rehetra manana fahaizana, traikefa na tolo-kevitra momba ny fampiasam-bolam-panjakana. Misokatra ho an’ny mpisehatra avy amin’ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina ; fiarahamonim-pirenena ; mpiara-miombon’antoka amin’ny fampandrosoana sy PTF ; vondrona mpikaroka ; manam-pahaizana eto an-toerana sy any ivelany ; ary ireo Malagasy rehetra manana fahaizana sy tolo-kevitra azo ampiharina. Ny 08 Septambra – 09 Oktobra 2026 no fotoana anehoana fahalianana sy fisoratana anarana. Ny 19 Oktobra – 18 Desambra 2026 : fifanakalozana ara-teknika amin’ireo lohahevitra samihafa,…
Toky R